KAOMININA TALATAMATY : Roso ny asa fanamboaran-dalana

Bolongam-bola manodidina ny 200 tapitrisa Ar izay an’ny kaominina Talatamaty madiodio. Io no natokan’ity kaominina manana mponina manodidina ny 70 000 izay saika mifototra amin’ny asa fambolena sy fiompiana ity ho enti-manatanteraka ny asa fanamboaran-dalana eny an-toerana.

Nomarihan’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Eli Dominic, fa  ho fanampiana ireo mponina amin’izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra izao no antony nisafidianana ny fanatnterahana ny asa. Antoky ny fisian’ny fampandrosoana ihany koa ny fananana lalana tsara, hoy hatrany ny lehilahy.

Ny faran’ny herinandro teo no nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ny asa. Lalana mirefy 660 m mampitohy ny fokontanin’Ankadivory sy Faralaza no nisantarana izany. Inty ampahan-dalana inty izay ho rakofana vato avokoa.Ankoatr’izay, lalana miisa 05 ihany koa no ho vitaina mialoha ny faran’ny taona. Marihina fa misy ihany koa ny tetezan-kely izay hatao ao Tanjondava hipotsaka any amin’ny lalam-baovao ho fanamorana ny fivezivezin’ireo mponina. Ho jariana ihany koa ny tohatohabato hampitohy a n’ny Faralaza sy Ambohinambo ary ny lalankely mamakivaky tanimbary mirefy 240 m haorina ao amin’ny fokontanin’ny Fitroafana. Nomarihan’ny Ben’ny tanàna fa mirefy 03 km ny lalankely vitan’ny kaominina hatramin’izay nitantanany an’ny Talatamaty izay. Nisy tamin’ireo no tafiditra anatin’ny tetikasa lalankely ary nisy ny tontosa vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ireo tsy miankina. Ankoatry ny asa fanamboaran-dalana mitohy hatrany ny asa sosialy fanaon’ny Kaominina Talatamaty ho fanampiana ireo mponina. Anisan’ireny fametrahana jiro mandeha amùin’ny herin’ny masoandro sy ny fampidirana rano fisotro madio ho an’ireo monina anatin’ny fokontany miisa 12 mandrafitra an’ny Talatamaty.

Vous aimerez aussi