KIANJA FANAOVAM-BAOLINA : 30 no atao sintetika

Kianja filalaovam-baolina kitra miisa 30 no hatao sintetika, na irony bozaka artifisialy irony, manerana ny Nosy ary anisan’izany ny kianjabe eo Mahamasina. Fanambarana nataon’ny governoran’Analamanga izany, raha nisantatra ny asa teny Ambohidratrimo izy.

Tokony ho 5 volana no hanaovana ity santatra ity kanefa ezahina ho vitaina ao anatin’ny roa volana izany, hoy izy.

Tafiditra indrindra amin’ny fampivoarana ny tanora eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izao fanavaozana ny foto-drafitrasa izao ary efa maro koa ny Malagasy mankafy ity taranja ity, ka ilaina ny fanarahana ny toetrandro.

Manoloana ny kianjaben’i Mahamasina kosa no nanambarany fa raha tsy misy ny sampona dia hanomboka ny desambra izao ny fanamboarana io kianjabe io, ka hatao manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izany.

Vous aimerez aussi