LOZA TAOM-BAOVAO : Zandary nitifitra sy nahafaty tovolahy, arahi-maso koa ny bar

Efa nosamborina ary nalaina ny basy tamin’ilay zandary nitifitra tovolahy iray teny Ivato, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia, taona vaovao teo.

Noheverin’ity zandary ity ho nanadala ny sipany tao amin’ny bar ilay tovolahy ka notifiriny teo amin’ny lohany ary maty teo noho eo.

Nahazo tatitra momba izany ny fiadidiana ny zandarimariam-pirenena ka namoaka didy sy fahazoan-dàlana hanenjehina ity zandary nahavaon-doza ity.

Efa mandeha, araka izany, ny famotorana izao tranga mampalahelo izao, ka hatolotra ny Fitsarana izany raha vao vita.

Hisy fetrany ny fisokafan’ny bar

Manoloana ny raharaha tahaka izao no nandraisan’ny fanjakana fepetra ihany koa ny amin’ny  fotoana fisokafan’ireny toeram-pisotroana ireny. Miha-maro manko ny tanora misotro nefa tsy an’asa kanefa tena voasarika amin’ireny toerana ireny.

Nampitomboina ny isan’ireo mpitandro filaminana manao fisafoana, indrindra ny eto an-drenivohitra ka nitombo, noho izany koa ny isan’ny olona voasambotra . Tsikaritra indrindra koa fa mitombo ny isan’ireo toeram-pilanonana sy trano fisotroana, toy ny eny amin’ny Andavamamba, 67 ha, Analakely, Ampasapito,… izay nampiakatra tokoa ny isan’ny mpisotro.

Loza samihafa

Mitombo tahaka izany koa ny isan’ny lozam-pifamoivoizana, izay nahitana 11 (ho an’ny tatitry ny polisy), nandritra iny alina nandraisana ny taona vaovao iny. Nisy tamin’izany ny vokatry ny hamamoana, ka 3 no tranga nahasimban-javatra . Nahatratra 8 kosa ny tranga naharatrana olona miisa 13.

Teo koa ny fisian’ny hain-trano teny Anosibe tsena.

Olona roa kosa no hita faty, ka ny iray tao anaty lava-drano teny Sabotsy Namehana ary ny iray teny Behenjy Itaosy, izay nohamarinina fa voan’ny androbe.

Nisy koa ny tranga iray fikasana hamono tena, saingy tsy tanteraka moa izany.

Fa anisan’ny zava-doza nitranga ny fihotsahan’ny rindrim-bato teny Ambohidrapeto, izay nianjera tamin’ny trano iray, ka namoizana ain’olona 4, izay mpivady sy ny zanany 2.

Manoloana izany dia tsy hijanona amin’ny fotoan’ny fety ihany ny fisafoana hataon’ny mpitandro filaminana fa hitohy hatrany izany, ary tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa manerana ny Nosy mihitsy, mba ho antoky ny fandriampahalemana, araka ny fanambaran’ny Tale jeneralin’ny filaminam-bahoaka, ny Commissaire Rakotozanany Marius.

Vous aimerez aussi