MPAMPIANATRA TSY MIANKINA : Hisitraka ny fanampiana 24 000 Ariary

Nisy nihaino ! Vaovao nahavelom-bolo ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina ny fanambarana avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Hisitraka « tsy ho ela » ny vola fanampiana mitentina 24 000 Ar avy amin’ny fanjakana izy ireo.

Vary mangatsiaka

Raha tsihivina, efa tokony ho noraisin’ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina tamin’ny taona 2019 ny fanampiana. Anisan’ny fepetra ahazoan’ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina ny anjara fanampiana ny tsy maintsy ananan’izy ireo fahazoan-dalana mampianatra, sekoly manana fahazoan-dalana misokatra no iasan’izy ireo. Ireo mpampianatra mitazona kilasy ihany koa no misitraka ny fanampiana fa tsy ireo miasa any amin’ny birao akory, hoy ny Ofisim-pirenena miahy ny sekoly tsy miankina eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Miisa  5887 ireo mpampianatra ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra, eny anivon’ny kolejy sy ny ambaratonga voalohany no hisitraka ny fanampiana. Mitontaly 890 kosa ireo mpampianatra amin’ny Lisea hahazo ny fanampiana 24 000 Ar.

Miandry fatratra izay mety ho anjarany aloha izany ireo mpampianatra miasa ivelan’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra. Inoana fa tsy ho diso anjara izy ireo izay efa trotraky ny fahasahiranana lalina vokatry ny fiatoan’ny asa fampianarana.

Vous aimerez aussi