MPANDALA NY FOMBAN-DRAZANA : Hamerina ny "Hasina," ho "Mizana be tsy mandainga"

Ny hamerina ny Hasin’i Malagasy sy i Madagasikara ary ny ho mizana be tsy mandainga, mahalala ny be tokony hanalana sy ny kely mila hampiana. Ireo no antom-pisian’ireo Mpandala ny fomban-drazana, hoy, i Zoky Liva. Ity farany izay anisan’ireo mpandala ny fomban-drazana sy mpikambana eo anivon’ny Vondrona tsy mamorona fa mamelomaso.

Tsy tokony hiditra amin’ny resaka politika, firazanana sy fiaviana, araka izany, ireo mitonona ho Mpandala ny fomban-drazana. Raha tiana handroso sy hivoatra ho amin’ny tsaratsara kokoa i Madagasikara dia mila haverina aloha ny Hasina izay nananany hatrizay, hoy, i Zoky Liva. Ny lalana rehetra mitondra ho amin’izany famerenan-kasina izay no tokony ho katsahin’ireo Mpandala ny fomban-drazana.

Tsy tokony hanana fironana ho mpanohitra na Mpitondra fa hijoro mandrakariva ho raiamandreny. Raha zohina ny tantara dia nijanona ho fakan-kevitra ho amin’ny fitadiavana ireo mahasoa ny Vahoaka ireo raiamandreny fa tsy naka ny toeran’ny Mpitondra na Mpanohitra. Manana adidy ireo Mpandala ny fomban-drazana hahay handanjalanja ny zavamisy mba hahafahana mametraka ny rariny, ny hitsiny, ny marina. Matoa ny Malagasy mbola miaina anatin’ny fahasahiranana sy fahantrana lalina toy izao dia noho ny mbola fisian’ny Hasina tsy tafapetraka amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy eo amin’ny sehatra marolafy. (Hasin’ny raiamandreny, ny Zanaka, ny hasin’ny teny, hasiny Vahoaka sy ny Mpitondra…).

Anisan’ny famerenana ny Hasina efa vita ny nanorenana ny Lapan’i Dadabe Andriianampoinimerina, eny Ankazomalaza Ambohimanga. Ezaka goavana ho amin’ny famerenana ny hasin’i Madagasikara tsy maintsy hatrehana ihany koa ny famerenana ireo Ala ripaka noho ny doro tanety mba hahafahana mamelona indray ireo loharano izay azo ambara ho fanovozana ny Hasina noho izy ireo miterka ny rano. Alao hery ry “Gasy” fa mbola lavitra ny lalan-kizorantsika ho amin’ny famerenana ny Hasina. Ity farany izay antoka lehibe hampirindra ny fiarahamonina sy hahatsara kokoa ny fiainana isan-tokony.

Vous aimerez aussi