MPIKARAKARA LANONANA : Mangataka ny avela hiasa

Nivondrona nanao fanambarana tetsy amin’ny 67ha ireo mpikarakara lanonana amin’ireny toerana fandraisana ireny na Espace. Mpikarakara sakafo, mpaka sary, mpikarakara momban’ny jiro, mpanentana lanonana, mpandihy, sy ny maro hafa dia saika nahatonga solontena avokoa. “Nangataka amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ny amin’ny mba hamelana azy ireo hiasa amin’izay aorian’izao fihibohana andiany fahaefatra izao. Hanaja ny lamina toy ny elanelana 1 metatra, ny fanasana tanana, ny fitondrana arovava, sy fitsapana hafanana izahay”, hoy izy ireo. Mangataka fanalefahana fandoavan-ketra ihany koa izy ireo, fampitomboana ny ora hiasana mba tsy ho hatramin’ny 1 ora tolakandro ihany, mba tsy ho 50 isa fotsiny ihany koa no isan’ny mpanotrona. Mangataka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo na ho an’ireo mpikarakara lanonana izany na tompona toeram-pilanonana, satria mampiasa olona maro sy manana fandaniana maro toy ny hetra sy hofan-trano, hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo.

Vous aimerez aussi