Manoloana ny fitakiam-bolaben’ny delegen’ny tsenan’Andravoahangy ao ambadiky ny CSB II amin’ireo mpivarotra “friperie” sy mpivarotra anana eny amin’ity tsena ity dia naneho ny heviny ireto mpivarotra ireto. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fitakiana satria tsy mangarahara. Ity vola takiana aminay mpivarotra ity dia efa naharitra herinandro mahery izao kanefa manomboka amin’ny Ar 15. 000 hatramin’ny Ar 300.000 izany.
Miankina amin’ny haben’ny tsenan’ireo mpivarotra mantsy ny vola alain’io delegen’ny tsena io amin’ireo mpivarotra tsirairay ireo. Any amin’ny trano fisotroan-toaka fivarotan’ilay delege ihany koa no aloa ny vola fa tsy mba any amin’ny birao na toerana hafa izay tokony hanefana izany. Tsy misy ny taratasy fanamarinana nandoavan’ilay mpivarotra ny vola no mbola aloa amin’ny andro tsy fiasana ihany koa izany. Miaina anaty tahotra araka izany izahay mpivarotra, hoy hatrany, ny fanazavan’ireto mpivarotra ireto satria raha tsy mandoa ny vola takian’io delegen’ny tsena io, izahay, hoy izy ireo, dia mety ho very aminay ny toerana fivarotanay. Ambaran’ilay delegen’ny tsenan’Andravoahangy ao ambadiky ny CSB II amin’ireo mpivarotra “friperie” sy mpivarotra anana ireo izay mitaky vola mantsy fa omena olon-kafa ny tsenan’ireo izay tsy mandoa ny vola takiana. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany araka izany ireto mpivarotra ireto no mangataka fihaonana amin’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hijery akaiky ny tranga mahazo azy ireo. Ireto mpivarotra ireto izay nanasongadina fa vonona ny hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna izy ireo fa mitaky kosa ny hisian’ny mangarahara. Nanamafy ihany koa ireto mpivarotra “friperie” sy mpivarotra anana ao amin’ny tsenan’Andravoahangy ao ambadiky ny CSB II ireto fa efa tamin’ny taona 2016 izy ireo no nanara-dalàna farany satria tamin’io fotoana io no nandoa vola farany mahakasika ny tsenan’izy ireo. Tsy nandoa vola intsony mantsy izy ireo taorian’izay noho ny fahafatesan’ ny lehiben’ny tsena tamin’izany fotoana izany. Tsy mba nisy fivoriana na fampiantsoana rahateo hatramin’izay ka hatramin’izao mahakasika ny fandaminana ny tsena, hoy hatrany, ireto mpivarotra ireto na efa nisy aza ny taratasy fitarainana nalefanay, tany amin’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, teo aloha, mba hijerena ny zava-miseho. Mbola tsy nahazoana valiny izany hatramin’izao. Mangataka fihaonana amin’ny Ben’ny tanàna vaovao na ny solon-tenany avy ao amivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra araka izany ireto mpivarotra ireto mba hitondra fanazavana mahakasika ity iainan’izy ireo ity. Ankilan’izay dia nilaza ny delegen’ny tsenan’Andravoahangy ao ambadiky ny CSB II fa baiko avy amin’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no tanterahiny fa tsy manao antsonjay araka ny voalaza akory, ny tenany.
Niaiky ihany koa ity delegen’ny tsenan’Andravoahangy ao ambadiky ny CSB II ity fa tsy nanome taratasy fanamarinana fandoavam-bola tamin’ireo mpivarotra ny tenany raha noho ny antony ara-pahasalamana kosa no nandraisany ny vola naloa tao amin’ny tsenany fa tsy tany amin’ny birao na toerana hafa fanefana izany, araka ny fanazavana voaray hatrany.
