NOSY MANODIDINA : Mba tsy ho fakankevitra fotsiny ihany

Manomboka eto dia Nosy Sambatra no iantsoana ny île Glorieuse, ny Juan de Nova dia lasa Nosy Kely, Nosy Bedinaka no iantsoana ny Bassas da India, ary Nosy Ampela ny Europa. Natao amin’ny teny malagasy avokoa ireo nosy manodidina ireo satria antsika. Koa atao ny fampidirina azy ireo ao anatin’ny Lalàmponeranana ka ho hita ao amin’ny saritanin’i Madagasikara sy ampianarina any an-tsekoly  ny momba azy.

Mila fandraisana andraikitra koa ny fitakiana ireo Nosy ireo ka ilaina ny fampahafantarina bebe kokoa ny Malagasy ny momba azy ireo.

Eo amin’ny sehatra ara-diplaomatika dia atao ny firesahana sy fiaraha-miasa amin’ny firenena hafa  sy ny fikambanana iraisam-pirenena sasany mba ho tombontsoan’ny firenena. Ary hoentina eny amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao dinika izao.

Na izany aza dia tokony hanana tahirin-kevitra feno sy mazava ny  amin’ireo nosy ireo isika mba handresen-dahatra hatrany ny rehetra.

Hisy ny fanokanana tetibola hampitaovana ny Tafika mba hiarovana ny sisintany sy ny ranomasina mba ho fitakiana ny fiandrianam-pirenena amin’ireto nosy ireto.

Natolotra ny Filoha

Ireo no anisan’ny fehin-kevitra nivoitra nandritra ny fakan-kevitra momba ireo nosy manodidina, izay natao teny amin’ny CCI Ivato, izay nifarana io maraina io.

Natolotra ny Filoham-pirenena izao fehin-kevitra izao mba handresen-dahatra amin’ny fotoana rehetra mety ilana azy.

Marihina moa fa amin’ ity volana desambra ity no hatao any Frantsa ny adihevitra faharoa mikasika ny hamerenana amintsika ireo Nosy ireo.

Harena mankaiza ?

Heverina, araka izany, fa mba tena higoka ny harena fonosin’ireo nosy ireo ny vahoaka malagasy fa tsy sanatria halaza tsy hihinana tahaka ny vilian-tsahona ka ny mpanao politika sy ny mpitantana ambony ihany indray no hamilivily haka ny harena ao amin’izy ireo.

Fihetsika iray mampalaina ny vahoaka malagasy hitaky izany manko ny fangoronan’ny olom-bitsy ny harena eto amintsika. Zovy anefa no tsy mahalala ny haren-tsarobidy hananantsika ? Mbola tsy tambo isaina anefa ny Malagasy mitrongo vao homanana sy manao sakafo ambany foitra eto.

Koa tsy ho fakankevitra fotsiny ihany fa fakan-karena hampasambatra ny vahoaka koa izao asa vita izao.

Vous aimerez aussi