ORINASA STAR TANY TSIAFAJAVONA : Nampisitraka “PPN” tokantrano miisa 600

Fizarana “PPN” tamin’ireo tokantrano miisa 600 izay nahitana olona miisa 1.140, tany amin’ny Kaominina Tsiafajavona, any amin’ny Distrikan’Ambatolampy no nanamarihan’ny orinasa STAR, ny fankalazana ny fetim-pirenena, tamin’ity taona ity. Fanoloran-tanana izay tsy vao izao no nisy fa efa nisy ihany koa tamin’ny volana mey lasa teo. Izy io izay fanohanana momba ny fanatontosana ny « jugement supplétif » an’ireo ankizy miisa 540 ao amin’io Kaominina Tsiafajavona io. Ny hetsika tontosain’ny orinasa STAR tahaka izao dia mba ho fandraisan’andraikitra ara-piarahamonin’ny orinasa amin’ireo mpiray tanindrazana. Ankoatra izay dia mba ho mariky ny finiavan’ity orinasa ity amin’ny fampandrosoana ny  ara-tsosialy sy ny ara-toekarena maharitra eto amintsika. Ny hanolotra rano fisotro madio ireo mponina any amin’ny faritra Vakinankaratra indray no hetsika manaraka hotanterahan’ny orinasa STAR. Izy io izay mbola hiandrasana ireo taratasy fahazoan-dalana avy amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ny orinasa STAR izay tsy manadino ireo mpiray tanindrazana rehefa fetin’ny Asaramanitra. Samy misitraka izany tombontsoa izany avokoa araka izanyun ireo fokontany, Kaominina sy distrika ary faritra ahitana ireo orinasa STAR  araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi