Ny fahasalamana sy ny fiarovana amin’ny fanatanterahana ny asa dia anisany laharam-pahamehan’ny STAR. Antony nanokafan’ity orinasa ity toeram-pitsaboana “OSTIE” ao amin’ny Foibe sy “Agence” Andranomahery. Hanampy ireo mpiasa amin’ny fitsaboana haingana sy tsara kalitao araka izany ny toeram-pitsaboana.
Catégorie : Samihafa
SOLOMBAVAMBAHOAKA RAJERISON ANTOINE : Nametraka taratasy fitoriana
Nametraka taratasy fitoriana any amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, ny Solombavambahoakan’ny distrikan’Arivonimamo, manoloana ireo vono, fandratrana sy ompa ary fisamborana tsy ara-dalàna nampiharina taminy indrindra fa ny fanerena azy haka sary tamin’ny basy.
FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA : Tontosa soa aman-tsara ny lanonana fametrahana ny Filohany
Tontosa soa aman-tsara, ny zoma 17 oktobra 2025, teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na ny HCC, eny Ambohidahy, ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fihanianan’ny Kolonely Randrianirina Michael, izay voatendry ho Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana laharana faha-10- HCC/D3, tamin’ny 14 oktobra 2025.
ANTENIMIERAMPIRENENA TSIMBAZAZA : Tontosa ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo filoha roa tonta
Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny alakamisy 15 oktobra 2025, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo alohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin sy ny filoha vaovaon’izany Antenimierampirenena izany, Randrianasoloniaiko Siteny. Fifamindram-pahefana izay nizotra antsakany sy andavany.
COLLECTIF TANY : « Mba ho olona manaja ny Zon’Olombelona anie no homena andraikitra hitantana ny Firenena »
Hamafisina ity antso efa nisy nanomboka tamin’ny herinandro lasa ity satria rehefa hanavao ny rafitra sy fomba fitantanana ny firenena ny vahoaka malagasy dia tsy tokony ho olona efa fantatra fa mampitondra fiahoriana ho an’ny tanàna iray manontolo nanjary tsy afa-mivelona ara-dàlana ary tsy afaka mampianatra ny zanany intsony no omena andraikitra, raha rariny sy hitsiny ho an’ny rehetra, filaminana eo amin’ny fiaraha-monina ary fampandrosoana ho an’ny firenena no kendrena fa tsy fampahantrana.
ORINASA STAR : Mandray hatrany ny andraikitra ara-piarahamonina
Mitohy hatrany ny fandraisan’andraikitra ara-piarahamonin’ny orinasa STAR na ny “RSE”. Amin’ny alalan’ny fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara no hanatontosany sy hanatanterahan’ny orinasa izany. Anisan’izany ny fiaraha-miasan’ny ozinina “Malto” amin’ireo tantsaha amin’ny fambolena « orge ».
PRAIMINISTRA ZAFISAMBO RUFFIN : Miezaka midina ifotony mamaha ny olana
Nasongadin’ny Praiministra Zafisambo Ruffin, nandritry ny tafa, niarahany tamin’ny mpanao gazety, teny Analakely, fa mety hiafara amin’ny fampiatoana amin’ny asany ny sazin’ireo mpitandro filaminana mihoa-pefy ka manao herisetra amin’ireo mpanao fihetsiketseahana eny an-kianja na amin’ireo olon-tsotra.
CAPSAT : « Aza mandray baiko amin’ireo lehibe ka hifampitifitra ny “frère d’armes” »
Ireto no anisany nivoitra tamin’ny fanambarana notontosain’ny miaramila, anio, teny amin’ny “CAPSAT” Soanierana.
FANADIOVANA : Sao dia tsy rariny ?
Isan’andro dia manadio ny manodidina ny Fokontany. Ety Antsahakely-Besarety dia misy toe-javatra mihoatran’ ny maha-olona ny asan’ny olombelona.
VANGAINDRANO – MAHAVITARA SYLVESTRE : Mangataka ny hamoahana azy any am-ponja ny vadiny
Mivoatra hatrany ny toe-draharaha ! Taorian’ny niantsoan’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina an’ireo herivelona rehetra, mba hifampidinika teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alarobia 08 oktobra 2025, mba hikaroham-bahaolana miaraka amin’izao krizy eto amin’ny firenena izao. Mivoatra manaraka izany ihany koa ireo fitakiana maro samihafa. Ao anatin’izany ny fitakiana ny hamoahana an’Atoa Mahavitara Sylvestre any am-ponja.
