Nasongadin’ny Praiministra Zafisambo Ruffin, nandritry ny tafa, niarahany tamin’ny mpanao gazety, teny Analakely, fa mety hiafara amin’ny fampiatoana amin’ny asany ny sazin’ireo mpitandro filaminana mihoa-pefy ka manao herisetra amin’ireo mpanao fihetsiketseahana eny an-kianja na amin’ireo olon-tsotra. Ankoatra izay dia ny tena zava-misy marina no tokony hotaterin’ireo tompon’andraikitra fa tsy hana tatitra diso izy ireo. Miezaka mamaha ny olana misy hatrany ny Praiministra Zafisambo Ruffin manoloana ny tranga misy eto amintsika. Miezaka midina ifotony avy hatrany mamaha ny olana ny Praiministra Zafisambo Ruffin.Ity teny Analakely ity no fidinana faharoa notontosainy taorian’ny nanendren’ny filoham-pirenena azy.


