ANTENIMIERAMPIRENENA TSIMBAZAZA : Tontosa ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo filoha roa tonta

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny alakamisy 15 oktobra 2025, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo alohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin sy ny filoha vaovaon’izany Antenimierampirenena izany, Randrianasoloniaiko Siteny. Fifamindram-pahefana izay nizotra antsakany sy andavany.

Nanatintrantitra ny filoha vaovaon’ny Antenimierampirenena, fa tsy hisy ary tsy hanao valifaty politika ny tenany na nisy aza ny mafy nosedraina nandritra ny hetsim-bahoaka. Izy rahateo dia efa niala tsy ho lehiben’ny antoko politika mpanohitra intsony. Ireo gadra politika rehetra izay efa navoaka ny fonja ihany koa raha efa tafaverina eto an-tanindrazana ireo natao sesintany. Nasongadin’ny filohan’ny Antenimierampirenana ihany koa, fa ho sokafana avokoa ireo orinasa rehetra nakatona noho ny tsindry politika. Ankoatra ireo dia nanambara ny filoha vaovaon’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, fa misy ny vahaolana amin’ny fahatapahatapahan-jiro matetika fa andraikitry ny governemanta vaovao no manatanteraka izany. Ity vahaolana momba ny fahatapahatapahan-jiro matetika ity izay tsy nampiharan’ny filoham-pirenena teo aloha ka nahatonga ireny hetsim-bahoaka ireny.

Nanamafy ny filoha vaovaon’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, fa misokatra ho an’ireo firenena rehetra te hiara-hiasa aminy i Madagasikara na mbola tsy fantatra mazava aza izay firenena mpamatsy vola hiara-hiasa amintsika. Ny firenena Malagasy izay tsy hoe tsy manan-karena akory raha misy ny sazy iraisam-pirenena. Tsy nisy fanonganam-panjakana rahateo teto Madagasikara fa fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka izay ny fanovana rafitra no nisy teto nandritry ny hetsim-bahoaka. Ny fanapahan-kevitra raisina rehetra araka izany dia atao mifanandrify amin’izay hetahetam-bahoaka izay. Ny fanovana ny rafitra no ilaina ka raha mipetraka ny fitantanana tsara sy mangarahara dia ho tafavoaka amin’izao sarotra izao i Madagasikara. Ilaina koa ny “décentralisation” mba tsy hiangona eto Antananarivo avokoa ny fandraisana fanapahan-kevitra rehetra. Efa eo andalam-piomanana ny fanolorana izay Praiminisitra vaovao ihany koa ny rehetra amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny filoha vaovaon’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny.

Ny zoma 17 oktobra 2025 no hotanterahana eny Ambohidahy, ny fihanianan’ny filoham-panjakana, ny Kolonely Randrianirina Michael. Ny filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, izay nilaza, tamin’ity anio ity, fa vonona ny handray fahefana. Efa notendren’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, fa ny Filan-kevitry ny fiarovana nasionalin’ny tetezamita no mitondra ny firenena, tsy nisy ny fanonganam-panjakana. Efa fomban’ny Vondrona Afrikanina sy ny “SADC” ny mandray fanapahan-kevitra tahaka izao noho izany dia ho hita eo ny tohin’ny raharaha. Tsy misy ihany koa ny fisarahana eo amin’ny Miaramila sy ny Zandarimariam-pirenena. Aorian’ny fihanianana ny zoma 17 oktobra 2025 no hotendrena ny Praiminisitra sy ny Governemanta vaoavao, araka ny fanazavan’ny filoham-panjakana, ny Kolonely Randrianirina Michael.

Vous aimerez aussi