RIVO RAKOTOVAO : Misy ireo manararaotra amin’ny fitsinjarana fanampiana

Nitarika krizy ara-tsosialy ho an’ny be sy ny maro ny fisian’ny valan’aretina Covid-19. Saika marefo ara-pahasalamana ny ankamaroan’ny mponina noho ny tsy fahampian-tsakafo sy nohon’ny fahaverezan’asa. Raha ny zavatra hita nandritra ireo 15 andro in-telo nisesy izay nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana dia ny teo anivon’ny fitsinjarana ireo fanampiana no naharaisana fitarainana maro noho ny fanararaotana ataon’ny sasany, raha ny nambaran’atoa Rivo Rakotovao, filohan’ny Antenimierandoholona.

Mankasitraka ny ezaka natao nandritry ity fametrahana hamehana ara-pahasalamana ity, saingy, tsy tonga lafatra akory. Ao amin’ny lafiny ara-tsosialy no be ady hevitra. Iaraha mahita fa misy ny fanakorontanana sy ny fimenomenonana. Midika izany fa misy ny tokony harenina.  Ny olona mimenomenona dia tsy midika hoe tsy tia firenena, fa te hanana ny tsara izy. Misy koa no ratsy fanao toy ny mangalatra, manodikodina ny fanampiana omen’ny fanjakana. Misy koa no mandrakotra izany ho resaka politika”, hoy izy. Namafisiny, fa izany no antom-pisian’ny fifampiresahana foana, fa tsy hitsikera be fahantany, hoy hatrany ny nambarany.

Vous aimerez aussi