« SALON DU LOISIR » ANDIANY FAHAROA : Ahitana kilalao maherin’ny 70 isa

Ny andiany faharoa amin’ilay hetsika ara-pialam-boly « Salon du loisir » izay karakarain’ny « Magic Land » no hotanterahana eny Ivato, ny 8 sy ny 9 febroary 2025. Ity andiany faharoa ity izay hiavaka noho ny tamin’ny andiany voalohany izay notontosaina ny 2 sy ny 3 novambra 2024 teny Ivato noho izy nohatsaraina kokoa no sady ahitana karazan-dalao maro an’isa. Maherin’ny 70 isa ireo kilalao ho hita eny an-toerana mandritra ireo roa andro ireo.

Tanjon’ny tomponandraikitra mpikarakara ny hanome fahafaham-po sy hampifaly ny mpanjifa rehetra izay ho tonga eny amin’ny CCI Ivato. Ny “jeux video”, ny “jeux de société”, ny “jeux d’équipe”, ny “peinture”, ny “cosplay”, ny “face painting”, ny kilalaon-tsaina isan-karazany, ny dihy, ny fampianarana amin’ny alalan’ny famokarana ba no anisany ho hita eny amin’ny CCI Ivato amin’ireo fotoana ireo.  “Zava-baovao kokoa noho ny tamin’ny « Salon du loisir » andiany voalohany araka izany no ho hita eny amin’ny CCI Ivato, ny 8 sy ny 9 febroary 2025. Antony dia satria efa hitanay ny lesoka tamin’ny andiany voalohany. Hahazo ny anjarany avokoa araka izany na ny lahy na ny vavy na ny zazakely na ny ankizy na ny olon-dehibe.

Ao anatin’ny trano iray no ahitana ireo karazana kilalao maherin’ny 70 isa hahafahana miala voly sy lalaovina ireo. Tanjona ny hampivondrona ireo mpikirakira hetsika fialam-boly amin’ny toerana iray. Tsy tao anatin’ny fialan-tsasatry ny mpianatra no notanterahana ny « Salon du loisir » satria mety misy amin’ireo fianakaviana no hivoaka any amin’ny faritra ka tsy afaka handray anjara amin’ity hetsika ity. Tokana anefa ny fidirana amin’ny hetsika ho an’ireo rehetra te ho eny an-toerana. Hisy loka hozaraina amin’ireo mpandresy amin’ny lalao amin’ity andiany faharoa amin’ny hetsika “Salon du loisir” ity”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra mpikarakara, Rafehivola Finaritra.

Vous aimerez aussi