SANGANASAN’I NELSON RASAMIMANANA : Ho velomin’ny Tarika “Kanto ny gasy” sy i Rinah

Ny tolakandron’ny Alahady 29 Jona ho avy izao, hanomboka amin’ny roa ora sy sasany, etsy amin’ny trano fanaovam-petin’ny Sekoly Sainte famille Mahamasina (Amphithéâtre), no hamelona indray ireo sanganasan’i Nelson Rasamimanana, ilay andrarezin’ny kanto an-kira sy mozika teo amin’ny lafiny famoronana sy fitendrena ny piano, ny Tarika Kanto ny gasy sy i Rinah. Ity farany izay Zanak’i Nelson Rasamimanana.

Ny 24 desambra 1924 no teraka tetsy Antanimenakely Ambohimamory, Antananarivo atsimondrano i Nelson Rasamimanana. Teo amin’ny faha dimy ambinifolo taonany izy ni no nanomboka nitendry ny harmonia teo anivon’ny fiangonana Fjkm Ambohimamory Malala ankehitriny. Ny Taona 1949 izy no nanomboka namorona hira. Taty amin’ny 1950 no nampidiran’i Nelson Rasamimanana ny hirany sy namoronany ny tropy teatraly “Iarivo lalao” niaraka tamin’i Lest Andriambelo.

Havanana tamin’ny fiangaliana ny bagasy sy ireo bankira Vahiny tahaka ny valse lente, boléro, tango, sns i Nelson Rasamimanana. Maro amin’ireo Mpanakanto andrarezina toa an’i Ludger Andrianjaka, Gabhy, Romule, Bazolia, Salomon no nivazo ireo tsangasan’i Nelson Rasamimanana. Ampahany amin’ireo hira nahafantarana an’i Nelson Rasamimanana ny ” Hira ho anao ry Neny”, ” Ireto masonao mijery”, “Tsara loatra”, sns…

Nomarihan’ny Tarika “Kanto ny gasy” izay ahitana an’i Michel Randrianarisoa, mpitendrin’ny Tarika” Kintana telo” sy ry Randriampaniry mianadahy avy ahitana an’i Nantenaina, Kanto ary i Tiana Harilala fa ezahana tanteraka ny tsy hanova ny fomba nandrindran’i Nelson Rasamimanana ireo sanganasany sy ny fomba nihiran’ireo Mpanakanto sangany nivazo ireo hiran’ity Mpanakanto nanana ny maha izy azy teo amin’ny tontolon’ny hira sy ny mozika malagasy ity. Ny 01 Jona 1996 no nodimandry i Nelson Rasamimanana. Hianjaika ny kanto sy hisalotra ny meva tokoa ireo ho avy haheno indray ireo kanto an-kira nojarian’i Nelson Rasamimanana, etsy amin’ny Amphithéâtre Sainte famille Mahamasina, ny Alahady 29 Janoary, hoavy izao. Ny ” Mikolo ny Natiora sy i Aina Raherilala no mpiketrika ny seho.

Vous aimerez aussi