Ambara ombieny ombieny fa ny fananana Harena an-kibon’ny tany dia anisan’ny antoka iray goavana ho amin’ny fisian’ny tena fampandrosoana ny Firenena iray. Tsy iadian-kevitra intsony ny fahamarinan’izany. Ho an’i Madagasikara manokana milanja telopolo taonina isan- taona ny volamena azo vokarinareo amin’ny toerana voafaritra manentana ny Nosy. Miisa sivy ihany koa ireo antsoina hoe : “Grandes mines” Ity farany izay afaka hiaraha-miasa amin’ireo Mpiara miombon’antoka ny fitrandrahana azy. Ankoatra ireo ampolony maro ireo karazana otrikarena mafonja afaka tsirihana fa ho azo trandrahana ihany koa.
Nomarihan’ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ihany koa fa ahitana ireo karazam- vatosoa rehetra misy, hita eyo Madagasikara avokoa, Manaporofo izany ny fahafantarana fa isika eto Madagasikara no mamatsy ny ampahatelon’ny vokatra Safira eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena. Nzmbaran’ireo mpikaroka manam-pahaizana Malagasy fa misy toerana mety ahitana “Diamondra sarobidy” ihany koa i Madagasikara. Manginy fotsiny ny fisian’ny pétrole sy ny gaz izay nambaran’ny vokam-pikarohana amerikanina USGS ny fisiany ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika sy ireo “Îles éparses”.
Azo ambara, araka izany, fa manana Harena an-kibon’ny tany tsy hita noanoa i Madagasikara. Indrisy anefa fa firenena mbola voasokajy ho mahantra indrindra eran-tany isika hatramin’izao. Midika izany fa tsy misy ny “tena mangarahara” eo amin’ny sehatry ny fikirakirana sy ny fitantanana ireo harena an-kibon’ny tany misy eto amin’ny Nosy. Anisan’ny antom-pisian’ny SEMPAHMAKRI (Sendikan’ny Mpandraharaha ny Harena an-kibon’ny tany Kristianina Malagasy) araka izany. ny hametraka ny fomba fiasa mangarahara eo amin’ny lafiny fitantanana amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny informatika. Manana “ekipa” manokana misehatra amin’ny asa pikarohana sy ny fanomezan-danja ireo otrikarena (Recherche et valorisation des ressources) Ity sehatrasan’ny SEMPAHMAKRI farany ity izay hanome fahafam-po amin’ny alalan’ny famaliana mivantana sy malaky ireo filan’ny mpandraharaha isan-tsokajiny misehatra amin’ny fikirakirana ireo harena an-kibon’ny tany.
Ezaka goavana himasoan’ny SEMPAHMAKRI ihany koa ny hamondrona ireo mpisehatra sy mpandraharaha isan-tokony eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Hanamora ny fanatanterahana izany ny maha mpikambana ny SEMPAHMAKRI eo anivon’ny Konfederasionan’ny SEKRIMA (Sendika Kristianina Malagasy) Ity farany izay manana fifandraisana sy fisokafana amin’ny sehatry iraisam-pirenena ary eken’ny Firenena mikambana sy ny vondrom-pirenena maro aty Afrika ny fisiany. “Mba ho iray ihany izy rehetra” Io andalan-tenin’ny soratra masina notsoahana avy ao amin’ny Jaona 17: 21 io no teny filamatra ho an’ny SEMPAHMAKRI. Heverin’ny SEMPAHMAKRI ho tombon-dahiny ho an’i Madagasikara amin’izao ankatoky ny fandraisan’i Madagasikara ny fitantanana ny SADEC izao ny fametrahana ny fiombonana, fifanomezan-tanana eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany ary ny fametrahana mangarahara eo amin’ny fomba fiasa. Anisan’ny hafatra lehibe napetraky ny Filohan’ny SEMPAHMAKRI Ramatoa Ratsimbazafy Ely ireo.
