Ny isan’ireo olona voan’ny covid- 19 tsy mitsaha mitombo, ny gaboraraka ataon’ny ankamaroan’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina ihany koa mihitatra toy ny sima misioka andro aman’alina.
Anisan’ny efa tsy manaja ny tsy tokony hampiasana ny « seza volamena » ny ankamaroan’ireo taksibe miasa eny Ambohimangakely. Maro amin’izy ireo no efa mametraka mpandeha amin’ny seza afovoany. Vokany, mifanakaiky tanteraka ireo mpandeha ao anatin’ny fiara. Ny « gel » natao hanasana tanana mialoha ny hidirana ao anatin’ny fiara moa efa tsy nasiana tohiny intsony fa dia samy mody fanina ny fanjakana sy ireo kaoperativa. Ireo mpanjifa hatrany, araka izany, no mibaby ny mety ho vokadratsin’ireo gaboraraka ataon’ny mpitatitra sy ny tsy fandraisana andraikitra avy amin’ireo tokony hiantsoroka ny fampanarahan-dalana.
Mila hentitra amin’ny fampiharana ireo fepetra anatin’izao firongatry ny fiparitahan’ny covid- 19 eto Madagasikara izao ireo tomponandraikitra isan-tokony mba tena hahomby ny ady iombonana izay atrehan’ny rehetra. Ny Malagasy ihany koa mila tonga saina fa tsy tokony hiandry fanasaziana lava izao vao hahalala hanara-dalana.
