CORONAVIRUS : 15 ny tranga vaovao

Tranga vaovao miisa 15 indray no voalaza fa misy tamin’ity alatsinainy ity, ka ny 11 dia tao Toamasina ary 4 kosa teto Antananarivo. Miisa 186, araka izany, ny tranga rehetra hatrizay.

Tamin’ny fitiliana miisa 257 no nahitana ireo tranga vaovao ireo, izay ny 219 dia teto Antananarivo ary 38 tao Toamasina.

Mitontaly 5 465, noho izany, ny fitiliana rehetra vita teto amintsika.

1 monja kosa no sitrana, izay manome ny isa 105 ho an’ireo nivoaka ny hopitaly hatrizay.

Miisa 81 izany ireo mbola tsaboina eny anivon’ny hopitaly, ka tsy misy ny manana toe-pahasalamana atahorana loatra.

Tsy mahamenatra

Tahaka ny aretina rehetra ihany dia tsy natao hahamenatra velively ny voan’ity tsimokaretina ity. Toa misy manko ny fanilikilihana ireo olona efa voan’izy ity, eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Aretina vaovao izy ity ary atahorana ihany rehefa tsy voafehy, saingy kosa tsy atao hanilikilihana ireo efa voa izany.

Mety ahazo izany amin’ny fomba tsy fantatra ny rehetra. Na mpanefoefo ianao na mpitrongo vao homana,….Tsy mifidy saranga ny otrikaretina, tsy mifidy toerana na fahalalana,… Ny fitandremana ny tena sy ny fanajana ny hafa amin’ny fanaovana sarontava ihany no fanafodiny hatreto. Zava-dehibe indrindra koa ny fahadiovana. Ny sakaizan’ny loto no mahamenatra !

Vous aimerez aussi