Nanao fanambarana ireo zanaky ny faritra avy any Betsiboka, omaly, mikasika ny fanendrena ny governora vaovao hitantana ny faritra. Lasa tantely afa-drakotra ny harena an-kibon’ny tany raha io governora vao notendrena io no hitantana ny faritra, hoy ny zanaky ny faritra. Nambaran’ny manamboninahitra kolonely Behavana zanaky ny faritra sy ny jeneraly izay anisan’ny namolavola ny EM na “Emergence Madagascar” no sady mpandrindra TGV ao amin’ny faritra Betsikoba no sady natolotr’izy ireo ho governora, fa tsy ankasitrahan’izy ireo ny fanendrena ity governora vaovao ity. Efa nitana ny andraikitra lehiben’ny faritra tamin’ny fitondran’ny HVM izy. Fantatra tamin’izany, hoy ireto manamboninahitra ireto, fa nanodikodina vola mitentina 700 tapitrisa iraimbilanja io governora io. Fiara 4×4 anankiroa an’ny faritra ihany koa no tsy hita fa ny “carte Grige” no ao. Nambaran’ireto manamboninahitra ireto no sady zanaky ny faritra, fa tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tao Tsaratanana ny taona 2017-2018 izy io, ary nisy kaomisera iray nigadra tamin’izany fotoana izany. Efa talen’ny kabinetra ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ity governora vaovao ity ary tompon’antoka tamin’ny fivarotana ny tanin’i Soamahamanina ihany koa, hoy ny tatitra voaray. Amin’izao fotoana izao dia manao hetsika ny mponina any an-toerana miaraka amin’ny TGV ho fanoherana an’ity governora vaovao ity. Miantso ny Filohampirenena Andry Rajoelina izy ireo mba tsy hametraka sy/na hanolotra na hanatanteraka ny fametrahana ity governora ity. Misy manipy hoditra akondro ny filoha ary voafitaka ka tokony ho “consulter” – na ny tena mpitolona eny ifotony, hoy ireto manamboninahitra ireto. Marihana fa ny jeneraly Jean Alfred Rakotomaronirina no natolotry ny TGV sy ny EM ary zanaky ny faritra ho governoran’ny faritra Betsiboka ary efa vonona sy manana programa entina hampandroso ny faritra ny tenany, raha ny tatitra azo avy amin’izy ireo hatrany.
