TSENAN’ISOTRY : Navaozina ny birao

Nasiana fanamboarana ary navaozina tanteraka ny biraon’ny tsenan’Isotry, ary efa miditra amin’ny fanadiovana ny tsena ihany koa ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra azo avy amin’ny lehiben’ny tsena, atoa Andriamahanina Haja. Ho avy ny fetin’ny noely sy ny krismasy ary faran’ny taona, ka miezaka ny manatsara ny tsena ny mpitantana, hoy izy. Nasiana jiro “lampadaire” avy amin’ny ministeran’ny angovo ny manodidina ny tsena. Miezaka ny mamerina ny fankafizan’ny mpanjifa ny tsena, ny lehiben’ny tsena sy ny mpiara-miasa aminy. Nambaran’ny lehiben’ny tsena, fa nametraka daba fanariam-pako ihany koa izy ireo. Nasiana takamoa ihany koa ireo andrin-jiro teny Ambalavao, Fiata Isotry sy ny manodidina. Maizina ny tanàna ka noezahina hazavaina, hoy ny lehiben’ny tsena. Nampiditra mpiambina manokana na “sécurité privé” ny tsena amin’izao ankatokin’ny fety izao. Efa mijery ny vidin’ny entana ihany koa izy ireo ary hita fa nisy fihenany ny vidin’ny PPN, hoy hatrany ny lehiben’ny tsena.

Vous aimerez aussi