
Ny taona 2020 no niorina ny Groupe « Mirasoa ». 18 mianadahy ahitana mpitendry zavamaneno, mpihira, mpandihy ary mpiangaly ny feolafika no mandrafitra ny tarika. Anisan’ny nahafahan’ny Groupe « Mirasoa » nanao dingan-dava ho amin’ny fahombiazana ka nahafahany nanome fahafaham-po ny famaliana ny filan’ireo sokajin’olona rehetra avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ny nahavitany nitady ny marimaritra iraisana eo amin’ny « tsapiky » sy ny « Salegy » hanjary gadona mozika vaovao tsy hay ambara ny hakantony. Tombony ho azy ihany koa ny fananana an’i Mirasoa, andriambavilanitra itoeran’ny feomanga feno angola voajanahary. Havanana amin’ny famoronana tononkira miainga amin’ny zavamisy koa izy. Ankoatry ny talentany amin’ny famoronana soradihy Ampahany amin’ireo sanganasa nojariany ny «Ampela mamo lava », « Aombe », « Valala », sns…
Taorian’ny nahavitan’ny Groupe « Mirasoa » ireo fitetezam-paritra nahenika an’i Madagasikara izay nahitam-pahombiazana amin’ny ankapobeny. Fantatra izao fa hiaka-tsehatra hizara ny kantony any Marseille n’ny 30 desambra ary ao Paris ny 31 desambra ho avy izao ny tarika. Seho iarahana manatontosa amin’ny « RN prod » any an-toerana. Ny taona 2024 hitsidika io no hamaky lay etsy amin’ny, Coliseum Antsonjobe, ny Groupe « Mirasoa ». Marihana fa ny Manager Panoma, no miantsoroka ny fandrindrana ny fomba fiasa eo anivon’ny tarika. Ity farany izay efa manana traikefa sy haizatra matanjaka tokoa amin’ny fikirakirana ny mozika amin’ny ankapobeny. Manager Panoma sy ny mpanakanto Mirasoa izay samy zanaky ny faritra atsimon’ny Nosy (Ejeda).


