LEHIBEN’NY FARITRA BOENY : Nanara-maso ny tora-pasika fitsangatsanganana, nanaja ny fepetra ny olona

Nangina avokoa ny toeram-pitsangatsanganana rehetra tao Mahajanga, ny alahadin’ny paska sy ny alatsinainy lasa teo. Saika nanaraka ireo fepetra avokoa ny mponina ary tsy nivoaka ny trano ary nanaja ny fihibohana. Araka ny fanazavana voaray, dia nidina ifotony tamin’ireo toerana heverina fa mahasarika mpizahatany ary mahavory vahoaka, ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolo-toerana, Atoa Bazezy Clavelah ny alatsinainy 13 Aprily 2020, nijery ireo tora-pasika, sao misy mandika lalàna ihany ny vahoaka mandeha mitsangatsangana any amoron-dranomasina, sns. Hita anefa fa nanaja ny fepetra avokoa ny olona rehetra ary manao ny asany ny mpitandro filaminana. Amin’ny ankapobeny, dia nanaraka ny fepetra sy nanaja ireo toromarika napetraka ny ankamaroan’ny vahoaka, tao Mahajanga.

Vous aimerez aussi