Tsy maintsy ampidirina ao anatin’ny fanapahan-kevitra ifanarahana mandritra ny vanim-potoanan’ny tetezamita sy ny fanavaozana ny fametrahana fepetra hentitra ho fiarovana ny tany malagasy.
Catégorie : Samihafa
"ZOKY MISA" : "Fanovana tena izy no nitolomana fa tsy sadasada..."
“Aoka mba ho tena Fanovana fa tsy ho sadasada ny “Fanovana” hisy taorian’ny fandresen’ny tolona notarihan’ireo Tanora leo fanapenam-bava sy tofoka tamin’ny tsy fisian’ny fahalalahana maneho hevitra” Io no fanehoan-kevitra nentin’i Zoky MISA, manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.
HETSIKY NY “GENERATION ELITE D’ATSIMONDRANO” : Hitohy amin’ny herinandro ho avy
Vontoatin’ny fanambaran’ny “Génération Elite d’Atsimondrano”, ny sabotsy 8 novambra 2025, manoloana ny Lapan’ny Tananan’Andoharanofotsy, ny tsy fanekena ny fitantanana goragora ao amin’ny Kaomininina Anodoharanofotsy. Mitaky ny fitantanana mangarahara ny “Génération Elite d’Andoharanofotsy”. Izy ireo izay mitarika ity hetsika ity.
FIANTSONAN'NY ZOTRA E "KOLOINA" TSIAZOTAFO : Anaty fanariam-pako sy ahiana hitera-doza
Toerana fametrahan’ny eo anivon’ny Kaominin’Antananarivo ny daba-pako lehibe no misy ny fiantsonan’ny faran’ny zotra E, anatin’ny “KOLOINA” mampitohy ny Renivohitra amin’Ambohimangakely. Vokany, mizaka sy mievoka tsy fidiny ny fofona maimbo sy mavoroka noho ireo fako danihan’ny andro ireo Mpanjifa milahatra mitanjozotra isanandro vaky etsy Tsiazotafo mampiasa ity Zotra fitaterana ity.
MPANDALA NY FOMBAN-DRAZANA : Hamerina ny "Hasina," ho "Mizana be tsy mandainga"
Ny hamerina ny Hasin’i Malagasy sy i Madagasikara ary ny ho mizana be tsy mandainga, mahalala ny be tokony hanalana sy ny kely mila hampiana. Ireo no antom-pisian’ireo Mpandala ny fomban-drazana, hoy, i Zoky Liva. Ity farany izay anisan’ireo mpandala ny fomban-drazana sy mpikambana eo anivon’ny Vondrona tsy mamorona fa mamelomaso.
FIAKARAN’NY « DROITS D’ACCISES » : Manao antso avo amin’ny manam-pahefana ny orinasa STAR
Teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2025 dia nahitana fiakarany 293% ny hetra alain’ny manam-pahefana amin’ny zava-pisotro labiera izay vokarin’ny orinasa STAR. Raha toa ka 290 Ariary isaky ny litatra izany teo aloha dia miakatra ho 850 Ariary ankehitriny. Izany hoe: tao anatin’io 5 taona io dia niakatra avo telo heny ny hetra alaina amin’ity zava-pisotro vokarin’ny orinasa STAR ity. Noho izany dia niakatra ny vidin’ny vokatra vokarina ka tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mponina intsony.
DOKOTERA AO AMIN'NY CHU-JRA AMPEFILOHA : Hanamafy ny "Service minimum"
Vontoatin’ny fanambaran’ireo dokotera mpiasam-panjakana ao amin’ny Hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, ny alatsinainy 27 oktobra 2025, ny filazana fa hamafisin’izy ireo ny “Service minimum”.
FANAMBARANA AVY AMIN’NY FIKAMBANANA TANTSAHA NASIONALY ETO MADAGASIKARA
Manoloana ny zava-miseho eto amin’ny firenena, ny Fikambanana Tantsaha Nasionaly eto Madagasikara dia miondrika am-panajàna amin’ireo mpiray tanindrana namoy ny ainy sy mirary fahasitranana feno ho an’ireo naratra noho ny tolona amin’ny fitakiana ny zo fototra sy ny fampajàkana ny fahazoana maneho hevitra. Manameloka ihany koa ireo fihetsika fandrobàna sy fanararaotana ary fanapotehana fananan’olona.
FIANGONANA « HEBREO NOTSRYM » : Nankalaza ny « Rhag soukot », niantso fitoniana sy fifampiresahana
Ny Alahady 19 Oktobra teo, tao amin’ny « Bet kneset » (Trano fivavahana) Ankasina, Antananarivo no nakalazan’ny Fiangonana Hebreo notsrym eto Madagasikara ny « Rhag soukot ». Adika tsotra amin’ny fiteny malagasy hoe : « Fetin’ny trano rantsan-kazo ». Ny Soukah, midika ho « trano tomboka » na trano rantsan-kazo » ary ny Rhag « fety ara-panahy ». Iantsoana ny « Rhag soukot » ihany koa ny hoe : « Yom Atseret » na ny andro farany hiravoravoana ho amin’ny fankalazana ny fetin’ny trano rantsan-kazo.
“GENERATION MPITOLONA” : Tsy diso anjara tamin’ny fanampiana ny mpiara-belona
Mba ho fitsinjovana ireo sahirana ara-pivelomana dia nanolotra tranolay ireo tsy manan-kialofana eny Analakely ny “Generation Mpitolona”, ny sabotsy 18 oktobra 2025. Anton’izao fanohanana izao ny anjara birikin’ireto “Generation Mpitolona” ireto manoloana ny fahorian’ireo niangaran’ny vintana ireo.
