Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha androany 21 oktobra 2021 ny fihaonan’ny Fitondram-panjakana Malagasy izay notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo solontena ara diplomatika miasa eto Madagasikara ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Catégorie : Samihafa
GADRA POLITIKA MIVONDRONA AO ANATIN'NY FEDEP : Ampy izay ny fandeferana
Folo taona lasa izay taorian’ny nanaovana Sonia ny tondrozotra tamin’ny taona 2011, tsy mbola tanteraka eto amin’ny firenentsika ihany ny fampihavanam-pirenena, indrindra fa ny fanonerana ireo niharam-boina tamin’ny krizy 2002 hatramin’ny 2011 izay voafaritry ny lalàna 2016-037 tamin’ny 2 febroary 2017.
GOVERNORAN’NY FARITRA BETSIBOKA : Vonona ny hanolo-tanana ny programan’asany ny jeneraly Jean Alfred Rakotomaronirina
Vonona ny hanome tanana sy hanohana ny governoran’ny faritra Betsiboka vaovao, ny jeneraly Jean Alfred Rakotomaronirina.
FAHASALAMANA : Fametrahana ny "Fonds d'Urgence Sanitaire National" na ny fandraisan'ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fitsaboana ireo olona mila vonjy aina maika amin'ireo hopitalim-panjakana eto Madagasikara
Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina hatrany fa ny fahasalamana no voalohan-karena, ary ny velirano izay nataony dia mametraka indrindra ho laharam pahamehana ny fahasalamana ho an’ny rehetra.
GOVERNORAN’I BETSIBOKA : Nanodikodina vola 700 tapitrisa iraimbilanja sy nanao fakana an-keriny tao Tsaratanana
Nanao fanambarana ireo zanaky ny faritra avy any Betsiboka, omaly, mikasika ny fanendrena ny governora vaovao hitantana ny faritra. Lasa tantely afa-drakotra ny harena an-kibon’ny tany raha io governora vao notendrena io no hitantana ny faritra, hoy ny zanaky ny faritra
TSENAN’ISOTRY : Navaozina ny birao
Nasiana fanamboarana ary navaozina tanteraka ny biraon’ny tsenan’Isotry, ary efa miditra amin’ny fanadiovana ny tsena ihany koa ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra azo avy amin’ny lehiben’ny tsena, atoa Andriamahanina Haja.
FITATERANA AMBOHITRIMANJAKA : Hisy fiara 40 hitatitra ireo olona mody alina
Anisan’ny mampitaraina ny mponina Ambohitrimanjaka ny tsy fahampian’ny taksibe eny an-toerana, hany ka mijaly amin’ny filaharana izy ireo ary tsy vitan’izay fa alina foana vao tafody.
KAOMININA AMBOHIDRATRIMO : Hanatanteraka « salon de l’étudiant » mandritry ny 3 andro
Sambany ary hetsika voalohany ho tanterahin’ny kaominina Ambohidratrimo, ny « salon de l’étudiant » mandritry ny 3 andro, dia ny 28, 29 ary ny 30 oktobra ho avy izao, izay hatao ao amin’ny tranompokonolona Ambohidratrimo.
HOMI SOAVINANDRIANA : Fankalazana ny faha 130 taona nijoroany sy fitokanana ny sampana vonjy aina nasiam-panavaozana
Nohavaozina tanteraka ny sampandraharaha misahana ny vonjy aina ao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana mba hahatsara kokoa hatrany ny fandraisana ireo marary.
FAMETRAHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FARITRA VATOVAVY : "Hitondra fampandrosoana miainga avy eny ifotony"
Tontosa ny 7 oktobra 2021 lasa teo ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Faritra faha-23 eto Madagasikara, dia i Vatovavy, rehefa avy nandalo dingana sy antanan-tohatra maro.