Anisan’ny mampitaraina ny mponina Ambohitrimanjaka ny tsy fahampian’ny taksibe eny an-toerana, hany ka mijaly amin’ny filaharana izy ireo ary tsy vitan’izay fa alina foana vao tafody. Nisy ny lamina napetraky ny kaominina Ambohitrimanjaka tamin’ny sehatry ny fitaterana ary efa nisy ny fepetra napetraka tamin’ny voalohany ary mbola mihatra io fepetra io, fa nohamafisina fotsiny, hoy ny ben’ny tanàna atoa Randriamanalintsoa Ihajason na Zazà. Hita ihany koa ny lesoka ary nisy ny lamina napetraka ary tokony hanana faharetana ny mpanjifa. Nisy taksibe 10 nanolo-tena fa hanao fitaterana ary tsy maintsy tonga eny amin’ny “terminus”. Nisy ny fanarahamaso nataon’ny teo anivon’ny ATT sy ny ministeran’ny fitaterana, niaraka tamin’ny UCTS. Fantatra fa kaoperativa 4 no miasa eny Ambohitrimanjaka, ka nanolotra taksibe 10 avy izy ireo, izany hoe 40 ireo taksibe izay hitatitra olona manomboka amin’ny 4 ora hariva hatramin’ny 8 ora alina. Ny eo anivon’ny ATT sy ny ministeran’ny fitaterana ary ny UCTS no hanaramaso ireto taksibe ireto. Rehefa tsy manaraka ny fepetra ireo fiara mpitatitra ireo dia sotonina avy hatrany ny “licence”- ny fiara. Efa miditra amin’ny fikojakojana ny lalana kosa ny kaominina ary ezaka lehibe hataon’ny kaominina izany. Ankoatra izay, efa nanomboka ny faran’ny volana septambra lasa teo ny fanetsana ao amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka, ka tanimbary 21 000 hektara no hanaovana izay fanetsana izay. Ny tapaky ny volana septambra teo no fampidirana rano. Ny 2/3 ny tanimbary amin’izao no efa misy rano ary vita ny ketsa. Tsy manome fahafaham-po kosa ny rano avy ao Sisaony, fa ny barazy ao Antsampanana sy Ikopa no hamaha ny olana amin’ny fampidirana rano, hoy ny ben’ny tanàna. Na sahirana tamin’ny fanetsana aza ny olona, ny vary aloa no vita ketsa amin’izao ary efa manetsaka ny olona avy any Atsinanana sy andrefana, hoy hatrany ny fanazavana.


