KAOMININA AMBOHIDRATRIMO : Hanatanteraka « salon de l’étudiant » mandritry ny 3 andro

Sambany ary hetsika voalohany ho tanterahin’ny kaominina Ambohidratrimo, ny « salon de l’étudiant » mandritry ny 3 andro, dia ny 28, 29 ary ny 30 oktobra ho avy izao, izay hatao ao amin’ny tranompokonolona Ambohidratrimo. Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna atoa Raherimanantsoa Feno dia miezaka mitady hevitra entina hampandrosoana ny kaominina izy sy ny ekipany. Eo ny lafiny ara-tsosialy, ny ara-toekarena, sns… Amin’izao fotoana izao dia hetsehin’ny kaominina indray ny lafiny fanabeazana. Teo amin’ny lisea foana no mifarana ny fampianarana, fa hitondra avo kokoa ny fanabeazana indrindra ny sekoly ambony, ny kaominina mba hanitatra ny fahalalany ny tanora, indrindra fa ireo afaka bakalorea, mba hivelatra fa tsy mijanona eo amin’ny bakalorea fotsiny. Hifanantona ny oniverisite Ankatso, Vontovorona ary ny oniversite ao Ambohidratrimo. Ankoatra ireo dia nasaina amin’io “salon d’etudiant” io ihany koa ireo oniversite tsy miankina mba hanoro sy hampianatra ary hanome fahalalana bebe kokoa ho an’ireo tanora ao Ambohidratrimo. Ny 28 oktobra dia fanokafana ny “salon d’etudiant” iarahana amin’ny tompon’andraikitra ambony sy ny talen’ny oniversite. Ny 29 oktobra dia “porte ouverte” ho fampahafantarana ny zava-misy ao amin’ny oniversite izay tsidihan’ny tanora mba ahafahany mahafantatra ny zavatra hataony. Raha misy manana ny enti-manana ireo tanora dia afaka miditra amin’ny oniversite tsy miankina, hoy ny fanazavana. Ny 30 oktobra dia “conference” iarahana amin’ny mpampianatry ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo oniversite tsy miankina ary hamaly ny fanontanian’ireo tanora mba hitondra ny nofinofin’izy ireo. Fanombahana ihany io hetsika hatao voalohany io, hoy ny Ben’ny tanàna. Ho an’ireo tsy afaka manohy ny fianarany dia efa mijery ny asa mety ho hataon’izy ireny ny mpitantana ny kaominina ary hiresaka amin’ny orinasa mba hampiditra ireny tanora tsy afaka manohy ny fianarana ireny. Nambaran’ny ben’ny tanàna fa raha 400 ireo tanora nanalà bakalorea tao Ambohidratrimo dia 50 na 100 no tafiditra eny Ankatso. Noho izany, manentana an’ireo tanora sy ireo afaka bakalorea teo atoa Rivonjaka izay mpiara-miasa amin’ny ben’ny tanàna mba ho tonga amin’io “salon d’etudiant” izay karakarain’ny kaominina io, fotoana fanararaotana io mba ahafahana mijery ny ho avy sy ny kinasa izay hatao, hoy izy.

Vous aimerez aussi