PROFESORA RADANOARA JULIEN : Omeo toerana ireo manampahaizana sy tia karokaroka, raha tsy te hampahantrana ny firenena

Miova daholo ny zava-drehetra maneran-tany ankehitriny, raha ny fahitan’ny mpandinika fifandraisana iraisam-pirenena, ny Profesora Julien Radanoara azy. Na ny fanatontoloana koa aza voa kely, hoy izy. Ny “multilatéralisme” lasa “libéralisme”. Na ny fifanankalozana amin’ilay antsoina hoe “libre échange” aza tsy misy intsony, fa samy miditra amin’ny atao hoe “protectionnisme” ny rehetra. Samy manao izay hahavelona azy ny rehetra ary samy ho tia tena amin’izay satria mbola hihamafy ny krizy. Ireo firenena noheverina ho tsy ahoan-tsy ahoana mety hisongadina. Isika izao raha manohy io fahitana tambavy CVO io, ohatra, dia mety ho isan’izany, hoy hatrany ny fanazavany. Samy miaro ny tenany, izany hoe, miezaka mamohitra izay zava-misy ao aminy ny firenena tsirairay. Fetsy ny amerikanina satria raha dinihina dia ireo mainty hoditra no ankamaroan’ireo maty tao aminy. Izany hoe mamely ny fifindra-monina ny filoha Donald Trump. Mamely ny mainty koa. Ireo no tena mpifidy demokraty. Ny sinoa indray mampiasa ny atao hoe “expansionnisme”, izany hoe, fanitarany ny mponina maneran-tany hakana ilay toeran’ny lohalaharana eto an-tany. Tokony hararaotin’ny afrikanina izao satria nalaza hatramin’izay ny politikan’ny taona 70 sy ny 80 hoe raha te hijanona ela eo amin’ny fitondrana ianao, dia ireto 3 ireto no atao. Habadoy ny mponina. Hampahantrao. Foano ny farim-piainana antonony na “classe moyenne”, izany hoe ny tia karokaroka. Tsy nampiasaina mihitsy ny tia karokaroka sy manam-pahaizana, natao kely karama, natao aza izay handehanany any ivelany satria hoe manelingelina. Amin’izao fotoana izao izany raha tian’ny afrikanina ny hampanankarena sy tsy hampahantra ny firenena dia mila hainy ny manome toerana sy mampiasa ireny manam-pahaizana sy tia karokaroka ireny, hoy hatrany ny fanazavany.

Vous aimerez aussi