Natao hoan’ny rehetra ny Zon’olombelona.
- Na mpitondra na ny ho entina
- Na mpino na tsy mpino
- Na mpivavaka na tsy mpivavaka
- Na mpanao politika na tsy mpanao politika
- Na mpanohitra na mpitondra
- Na mpitsara na tsy mpitsara, na am-perin’asa na tsy an’asa intsony.
Ankehitriny dia lasa mpitoroka daholo, dénonciateurs, na koa lasa Lanceurs d’alertes daholo, fa kosa amin’ny tombotsoany ihany no ijoroany.
Ka tsy tokony henjehina sy hanaovana fanadihadihana ve ireny ?
Raha toa ka ireo mandala ny rariny sy ny hitsiny no mpitoroka talohan’ny ity fifidianana ity. Nitoroka izahay hatrizay… 2019, 2020, 2021, 2022, 2023 fa lazaina foana fa tsy misy eto Madagascar izany Mpiaro ny Zon’olombelona sy lanceurs d’alertes izany.
Dia ahoana daholo ireo milaza fa Mpiaro ny Zon’ny Malagasy ireo amin’izao ?
Ankehitriny ireo mpitondra ireo, ireo mpanao politika ireo, ireo solombavambahoaka ireo, ireo mpandraharaha ireo, ireo mihitsy no sahy mijoro ho dénonciateurs sy ho Lanceurs d’alertes ankehitriny, fa hoe tsy rariny e, tsy ara-dalàna e, tsy manaja ny Zon’olombelona e, tsy manaja ny hasin’ny mahaolona e. Manitsakitsaka lalàm- panorenana e. Hay vé ka ilaina ny dénonciations, hay vé ka azo atao koa ny Lanceurs d’alertes. Hatramin’ny hoe tsy azo itokisana intsony ny Fitsarana e. Ankehitriny ireo mpitondra taloha ka mpanohitra ankehitriny, no sahy milaza fa feno kolikoly, tsy manaja ny Zon’olombelona ny mpitondra amin’izao. Teo izy, fa nahoana no izao fa sahy miteny ? Fa fijery manao ahoana ny tamin’ izany.
Ankehitriny ireo solombavambahoaka mpanohana lasa mpanohitra, lehiben’ izany mihitsy no sahy mitoroka fa betsaka ny tsy tomombana, fa manitsakitsaka ny Zon’olombelona. Nahoana ary no tsy nankatoavina ny tolokevitra hiarovana ny Mpiaro ny Zon’olombelona sy ny Lanceurs d’alertes ? Fa na ry zareo aza ankehitriny, manjary Défenseurs de Droit humains daholo ary mihazakazaka mitady vonjy etsy sy eroa ?
Lasa fitaovana ilaina na tsy ara -dalàna aza ity tolo-dalàna tsy ankasitrahan’ny mpitsara sy ny solombavambahoaka ity.
Ankehitriny na ny andaniny na ny ankilany dia sahy mitoroka fa feno fanitsakitsahana ny Zon’olombelona ataon’ireo tsy mitovy hevitra aminy. Eny fa na mpitsara am-perin’asa dia miteny, “Fa avelao haneho malalaka ny zony ny tsirairay”. Indrindra ireo mpitsara milaza fa mpanelanelana, dia mitoroka ihany koa.
Amin’izao fotoana izao dia mampiasa vola an-tapitrisany daholo na mpitondra na mpanohitra. Kolikoly daholo izany. Aiza ny sampan-draharaha misahana izany ady amin’ny kolikoly izany e ?
Na mpitondra na mpanohitra na mpitondra fivavahana na firahamonim- pirenena na Fikambanana mijoro etsy sy eroa, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, na Fikambanana iraisam- pirenena dia mitoroka avoaka, samy misitona lakolosy avokoa.
Dia sazy manao ahoana no homena ireny ?
Ankehitriny koa dia betsaka no sahy milaza fa hery mpamoretana ny mpitandro ny filaminana, fa izao ny mpanohitra teo amin’ny fitondrana vao sahy milaza izany; fa efa nambaranay izany amin’ny manjoa ireo tantsaha tratran’ny tsindry efa nataon’ izy ireny, fangalarantany,fampijaliana, famonoana tsy an-drariny, tsy fahafahana mitoroka, hitanareo ihany ireny rehefa maharary ianareo.
Misy mihitsy mpitsara ankehitriny sy teo aloha mijoro fa tsy tokony ho sakana ny Zon’olombelona isam-batan’olona, misy mihitsy mpitsara manjary mpitoroka ihany koa.Koa manjary ara-dalana amin’izay vé ny Mpiaro ny Zon’olombelona ? Sy ny lanceurs d’alertes eto Madagascar. Halao hery ary, ekeo ny lalàna miaro antsika Dénonciateurs rehetra sy ny Lanceurs d’alertes fa aza enjehina ary aza sazina.
Manjaka ny kolikoly ary toa jerena fotsiny ? Henoy ihany ny feon’ny fieritreretana.
Na ireo tsy mankasitraka ny fitorohana aza, na ireo mpitory ny Mpitoroka aza dia lasa mpitoroka daholo ankehitriny. Dia sazy manao ahoana no homena ny mpitoroka hatrizay, aza miangatra.
Ka raha izany ary, fanadihadihana ahoana no hatao an’izireo. Iza no anao fanadihadihana amin’ny fitorohana ataon’ireo mpanohitra ? Na koa ny hataony ny Mpitondra ? Dia ahoana ny fanadihadihana azy ireo fa samy milaza fa marina ny voalazany ?
Ka tsy tokony hanaovana fanenjehana na fanadihadihana daholo vé ny andaniny sy ankilany fa mandika lalàna.
Voatonina daholo fa mpanao kolikoly ny Mpitondra na Mpanohitra. Eny fa dia ireo mpitondra fivavahana aza dia voalaza fa nandray vola tamin’ny famohan-keviny.
Koa manaitra ny rehetra, fotoana handinihana izao.
Mba hisorohana ny tsy rariny sy ny fiangarana.
Aza mihevitena ho manana ny marina hatrany fa ianao koa mety manao ny tsy marina.
Natao hoan’ny rehetra ny fiarovana ny Zon’olombelona.
Fa tsy hoe alako bika tsy tiako tarehy
Mahereza daholo
Ho an’ny rehetra.
Raha tsiahivina dia nahemotra amin’ny 21 novambra ho avy izao ny didim-pitsarana momba an’i Thomas Razafindremaka tokony natao ny 26 oktobra.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.