ARETINA MAMANY LAVA : 50 000 mahery ireo vehivavy malagasy iharany

Ny sabotsy lasa teo no nanamarihana ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny faharovitan’ny tatavia, izay antony mahatonga ny aretina mamany lava ho an’ireo Reny avy niatrika fiterahana. Fanatanterahana ireo tomban’ezaka vita sy ny mbola ho hefaina, io no nentina nanamarihana izany ho an’i Madagasikara. Miisa 50 000 ireo vehivavy rovitra tatavia taorian’ny fiatrehana ny fiterahana.