Tsikaritr’ireo mponina eny Ambohimangakely fa efa maro amin’ireo takamoa napetraka teny amin’ireo andrin-jiro eny an-toerana no tsy mirehitra intsony ankehitriny. Vokany, miaina anaty haizina indray ny mponina eny an-toerana rehefa mitehan-ko hariva sy alina ny andro. Ny hany mbola ahitana takamoa mamoaka hazavana eny an-toerana dia ny lalana mihazo an’i Betsizaraina, izay mandalo ny toerana misy ny tranon’ny filoha ankehitriny.
Raha tsiahivina, raha vao tafapetraka teo amin’ny toerana maha ben’ny tanàna azy i Rijaniaina Thierry Radafindranaro no niroso tamin’ny fametrahana ireo takamoa hanazavana ny moron’ny lalam-pirenena faharoa izay mamakivaky ny tanànan’Ambohimangakely. Hetahetan’ireo mponina ankehitriny ny hanoloana ireo takamoa tsy mirehitra intsony noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana ary ny tokony hampitomboana isa azy ireny manerana ny fokontany miisa 18 mandrafitra an’Ambohimangakely. Ankoatry ny fahamaizinan’ny tanàna dia lasa fanariam-pako sy fanaovana maloto ihany koa ny ao ambanin’ny tetezan’Ambohimangakely noho ny famindrana ny tsena eo akaikin’ny tetezana nefa tsy misy foto-drafitrasa natokana ho fanaovana maloto akory izany. Mila jerena akaiky ihany koa ny lalana izay mandalo eo ambonin’ny EPP Ambohimangakely noho izy hahiana hihotsaka vokatry ny tsy fisian’ny rindrim-bato mitaty izany. Ny EPP izay vao nasiam-panamboarana sy fanavaozana. « Ovaintsika ny Tanàna ». Io rahateo no teny filamatry ny Ben’ny tanàna ankehitriny izay inoana fa ho tanteraka ara-bakiteny tokoa.


