ZAVA-PISOTRO MAMPATANJAKA : Namokatra ny "Fosa" ny Star

Mampitombo isa hatrany ireo zava-pisotro mampatanjaka vokariny eto Madagasikara ny orinasa Star. Manaporofo izany ny famoahan’ity orinasa ity ny marika vaovao amin’ny zava-pisotro mampatanjaka antsoina hoe: “Fosa”. Ity marika ity izay mifantoka amin’ny fahatsapana voajanahary mba hisarihana ireo mpankafy fihetseham-po mahery.

Izy io izay vita malagasy tanteraka. Ny biby ” Fosa” dia tsy hita raha tsy eto Madagasikara irery ihany ary manana ny maha izy azy tanteraka. “Fosa” noho izany no anarana nampitondraina ity zava-pisotro ity satria mampatanjaka sy mampahery ary manana toetra feno angovo izy. Manasongadina toe-tsaina mahery sy sahisahy ary natokana ho an’ireo izay mitady hery eo noho eo sy fientanam-po mahery vaika. Ny “Fosa” araka izany dia fifangaroan’reo akora “taurine” sy vitamina B ary kafeina ka mampatanjaka mandritry ny fotoana maharitra no manome hery haingana. Anaty fonosana “canette 50 cl” sy manana endrika miloko manaitra ny “Fosa”. Azo jifain’ny rehetra amin’ny vidiny Ar 5.000 ity zava-pisotro mampatanjaka vokarin’ny orinasa Star izay tsy mampidi-doza na ho an’ireo olona manana aretina mitaiza ity aza.

Ny sabotsy 2 mey 2026 no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, teny Analakely, ny zava-pisotro mampatanjaka “Fosa”. Nifanindranan-dalana tamin’ny “Run Drag Racing Mada” ny hetsika. Fotoana izay nanehoana voalohany ny maha mpanohana ofisialy ny fifaninanana “Run Drag Racing Mada” azy. Nisy ankoatra izay ny hetsika lehibe maro notontosaina toy ny tanàna “Fosa” izay nanome fahitana lehibe ho an’ny marika. Ny fampirantiana fiara manaitra tamin’ireo toerana sasany teto Antananarivo. Ny fizarana santionany sy fanandramana izany. Hiparitaka tsikelikely eny amin’ireo toeram-pivarotana manerana ny Nosy ny “Fosa”. Hisy ny fanentanana eny an-kianja sy ny fanandramana tsiro ary ny hetsika eny amin’ny tambajotran-tserasera hampiroboroboana ny lazan’ ny marika “Fosa”. Izy io izay arahana serasera isan-karazany goavana eny amin’ireo tsena lehibe sy salantsalany ary eny amin’ny toby famatsiana solika. Ny orinasa Star dia mikendry ny hanavao sy hampiakatra ambaratonga hatrany ny famokarana zava-pisotro mampatanjaka eto Madagasikara izay sady mahery no mety amin’ny rehetra amin’ny alalan’ny fananganana marika malagasy vaovao toy ny “Fosa”, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi