Taorian’ny orambe ny herinandro iny, dia nandray andraikitra ny Fokontany Antsahakely-Besarety nanala ny fako tamin’ny tatatra manodidina azy.
Tena voa mafy ny mponina ary maro ny traboina sy very entana nohon’ny fiakaran’ny rano. Simba ireo fananana tratry ny riaka ary niparitaka tetsy sy teroa ny fako izay niala tao amin’ ny toerana fanariana azy izay nafindra amoron-dàlana. Tsy nalaina araky ny tokony ho izy moa ireo fako ireo dia nentin’ny rano nanaraka ny tatatra, izay iandraiketan’ny kaominina.
“Mbola tsy nisy ranobe toy iny teto” hoy ireo mponina, sahiran-tsaina lalandava isaky ny fahavaratra.
Naharay ny fitarainana ny lehiben’ny Fokontany ka hanao tatitra amin’ny ambaratonga ambony mba hanalana ny fasika amin’ireo tatatra, izay manala ny olana be amin’ny tondra-drano. Mbola andraikitry ny Kaominina ihany koa ny manala ny fasika amin’ireny drafitr’asa ireny.
Rahoviana ny mponina Antsahakely-Besarety vao ahita fitoniana amin’ny tondra-drano ? Any amin’ny mpitondra no valiny. Mbola tsy nahita an’izany Antsahakely izany ireo mpitondra ankehitriny ireo hatreto. Depiote TIM iray no mba nizara sakafo indray mande. Ny sasany, tsy hain’ny mponina.
