DEPIOTE GISCARD ANDRIANO MIVADY : Nanolotra vola 3 tapitrisa ariary ho an’ny CCO Manakara

Miasa andro aman’alina ho an’ny vahokan’i Manakara ny depiote voafidy tany an-toerana ary mitsinjo ireo fianakaviana sahirana sy marefo ara-pivelomana ihany koa, ka nitondra ny anjara birikiny amin’izao hamehana ara-pahasalamana, nohon’ny valan’aretina Covid19 izao ny depiote mivady. Nambaran’ny sombavambahoakan’i Manakara, atoa Giscard Andriano, fa fanampiana avy amin’izy mivady madiodio izao fanampiana nomeny izao, ka nanolotra vola 3 tapitrisa ariary ho an’ny “Centre de Commandement Opérationnel” na CCO Manakara izy, ho fanampiana sy ho fanohanana ireo tompon’andraikitra misahana ity ivo-toerana natokana hiadiana amin’ity valan’aretina ity. Mbola nanolotra vola mitentina 6 tapitrisa ariary hividianana vary mora milanja 3 taonina ihany koa ny solombavambahoaka, ka olona sahirana miisa 2.000 any ho any no hahazo izay vary mora avy amin’ny depiote mivady izay sy ho fanomezan-tanana ho azy ireo koa. Tsy adino ihany koa ireo mpitarika posy ao Vatovavy Fitovinany, fa nahazo ny anjarany avy tamin’ny depiote, ka mpitarika posy miisa 1.000 no nisitrika izay fanampiana avy aminy izay. Tsy adinon’ity solombavambahoaka ity ihany koa ny mpampianatra amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, fa nahazo ny anjarany avokoa. Farany ary tsy adino tamin’izany ireo mpitandro ny filaminana izay miasa andro aman’alina, fa dia novatsian’ny depiote mivady solika ihany koa izy ireo. Nanao antso avo ho an’ireo malala-tanana sy ireo mpandraharaha, mpanao politika sy ny mpanankatao ny depiote Giscard, mba hiara-hisalahy sy hanohana  ireo tompon’andraikitra ao Vatovavy Fitovinany ireo sy hanome fanampiana ho an’ireo sahirana sy marefo ara-pivelomanana any an-toerana. Zava-dehibe ny fifanomeza-tanana sy fanohanana tahaka izao, hoy hatrany ny solombavambahoakan’i Manakara.

Vous aimerez aussi