Mivaralila tanteraka ary mila tsy ho tazana intsony mihitsy ankehitriny ilay rindram-piaraha-monina nifaka tamin’ny fandalana ny fifanajana, ny fifanampiana nanome hasina ny aina sy nametraka ho ambony hatrany ny maha olona dia ilay « fanahy » izany. Ireo rehetra ireo, azo ambara tsy ampisalasalana fa nananan’ireo Razamben’ny malagasy ka nampilamina ny fiarahamonina fahagola.
Rava izany ankehitriny noho ny fahantrana mihalalim-paka saika isanandro vaky izao. Mahavalalanina, hoy ny Malagasy maro fa toa tsy hita taratra kely akory ny anjara asan’ny « Fanjakana » ho fanampiana ireo Vahoaka ho fiatrehana izany. Ity farany (Fahantrana) izay tsy hiadian-kevitra fa haingam-piasa tokoa amin’ny fanimbana ny toe-tsaina, ny toem-po, sns amin’ireo Olombelona miaina azy anatin’ny fotoana maharitra. Vokany, mirongatra ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy, very tanteraka ny fifampatokisana ary tsy misy intsony ilay fihavanana mitarika ho any amin’ny firaisankina sy ny fifanomezan-tanana antoky ny fahombiazana anatin’ny fikatsahana ny « tombontsoa iombonana » Ny « samy mandeha samy mitady ary ny hiafarany mety samy hiara-mandady noho ny fahapotehan’ny rindram-miaraha-monina » no misy sy zary lasa toy ny foto-pisainana eo amintsika. Aoka tsy ho hadinointsika Malagasy fa tsy vahaolana amin’ny fialana amin’ny fahantrana akory ny fampanjakana ny fitiavan-tena diso tafahoatra izay mety hitarika ho any amin’ny fankahalana sy fandraisana ho fahavalo ny hafa ho fikatsahana ny tombontsoan’ny tena manokana. Entanina, araka izany, ireo « Mpitondra » hijery akaiky ny lafiny sosialim-bahoaka fa efa tena lanaka sy sempotry ny fahantrana ny Vahoaka entinareo. Tsy vahaolana tandrametaka toy ny fanaovana « tolotra » sy « tosika » tsy mahavita taona anefa no takiana amin’izy ireo fa ny maharitra toy ny famoronana asa, fanolorana fiofanana araka asa mamaly ny filan’ireo orinasa misy eto amintsika, famerenana ny fanabeazana ho Olom-pirenena vanona, sns. Maro amin’ireo teratany malagasy ankehitriny no efa mitsoa-ponenana ivelan’i Madagasikara noho ny tsy fahazakana intsony ny onjam-piainana. Porofo mitohaka amin’ny tenda izany fa efa lalim-paka tanteraka ny fahantrana. Ny hany mba vahaolana hitan’ny « fitondram-panjakana mahefa » mijoro ankehitriny manoloana izany dia ny fampiasana ireo « mpitandro ny filaminana » hamoritra farany izay zokiny ireo rehetra maneho hevitra sy mitatitra ny tena zavamisy eny anivom-piaraha-monina rehetra eny. Tsy ny famoretana akory no hahafahan’ny Malagasy miala eo ambany vahohon’ny fahantrana ry mpitondra fanjakana fa ny fahaizanareo mandray andraikitra anatin’ny fotoana fohy. Tsy mitsaha misonga ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny eto amintsika ary efa tsy afaka mitsabo tena intsony ny maro amin’ny Malagasy, maro ireo ankizy no tsy afaka mianatra, sns. Am-bava loza noho ireo rehetra ireo ny fiarahamonina malagasy. Ny hita aloha hatreto dia ny fitohizan’ny adilahy politika sy ny fiarovan-tseza ataon’ireo tompom-pahefana sy ny fikatsahana izany amin’ny fomba rehetra eo amin’ireo « Mpanohitra » etsy ankilany no manjaka. Vokany, toa kamboty velon-dray aman-dreny ny Vahoaka Malagasy noho izy ireo tsy misy miahy. Tsy laharam-pahamehana ho an’ireo « Mpitondra » sy ny « Mpanohitra » ve izany ny fahantran’ny Malagasy fa ny fikatsahana ny tombontsoa manokana ho azy ireo hatrany no imasoany ? Aza hitako anie izany ! Tafio hatrany ny fanantenana Ramalagasy fa tsy misy haizina tsy hisava izany !