FIAHIANA IREO ZOKIOLONA : Amperinasa ny « Centre La Bonté Madagascar »

Tsy dia tsaroana loatra na odian-tsy hita eto amintsika izany hoe : manana ny zony feno ireo zokiolona. Maro, araka izany, ireo zokiolona iharan’ny herisetra ary mizaka ny tsy eran’ny ainy.

Ny fahatsapana ireo loza mitatao amin’ny zokiolona sy ho fanampiana azy ireo no nanosika an’I Dokotera Ramanandrafaliarisoa Florienne sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, hanangana ny Ivon-toerana « La Bonté Madagascar », ny volana aogositra 2021. Ity farany izay manana ny foibeny etsy Andraisoro (Terminus 141) ary sampana eny amin’ny by pass. Ny « Centre La Bonté Madagascar » mikarakara sy mikolokolo ireo zokiolona amin’ny maha olona feno. Afaka misitraka izany avokoa ireo zokiolona salama na tsia, ireo manaraka fitsaboana ary ireo maka aina amin’ny alalan’ny fisian’ny « Maison de la convalescence » eny an-toerana.

Misy fiantraikany amin’ny zokiolona ny herisetra mahazo azy, mety hitatra hatrany amin’ny tsy fahatomombanan’ny fahasalamana na amin’ny ara-tsaina mihitsy aza izany.

Manana adidy amin’ny fiaraha-monina ny « Centre La Bonté Madagascar », amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo asa sosialy ho an’ny zokiolona. Anisan’izany ny fikarakarana ireo hita fa tena sahirana tsy misy mikarakara sy miahy, fijerena maimaim-poana ny fahasalaman’ireo zokiolona, fanomezana fanafody raha ilainy izany.

Raha ny fanirian’ireo mpitantana dia ny sarababembahoaka no ho afaka hisitraka ny tolotra rehetra misy ao amin’izy ireo.Noezahana ho amin’ny sarany mirary sy sahaza ny rehetra, araka izany, ny sandan’ny vola aloa eo anivon’ny « Centre La Bonté Madagascar ». Tsy latsan-danja koa anefa ny kalitaon’ny tolotra. Manao fifanarahana amin’ny ivon-toerana ny fianakaviana raha tiany hitoetra ary ho karakaraina (monina) eo anivon’ny « Centre La Bonté Madagascar » ny ray aman-dreniny.

Maro ny sehatrasa « activités » izay iarahana amin’ny zokiolona monina ao amin’ny « Centre La Bonté Madagascar ». Anisan’ireny ny fanamboarana zaridaina, fanaovana asa tanana na « création artistique », fanaovana fanatanjahantena malefaka na « Gymnastique Adapté » aux Personnes âgées, mamaky boky sy vaovao, mijery fahita lavitra, fotoam-pivavahana, fikarakarana ny vatana toy ny fandokoana sy ny fanamboarana volo, fikarakarana ny hoho sy ny tarehy.

Misy ihany koa ilay antsoina hoe : RÉÉDUCATION FONCTIONNELLE, tafiditra anatin’ny fitsaboana izy ity, miampy ny kinésithérapie, ergothérapie, sns ho an’ireo manana fahasarotana manokana.Tsy kolon-tsain’ny Malagasy ny fandefasana zokiolona amin’ny toerana tahaka itony satria mbola mitoetra foana ilay hoe : « velona iray trano ary maty iray fasana ». Tsy mitovy tamin’ny vanim-potoana niainan’ny Ntaolo intsony anefa ny vanim-potoana misy antsika ankehitriny amin’izao, raha tsy hiresaka ny amin’ny rotorotom-piainana, ny karazana aretina misy amin’izao fotoana izao izay mahatonga ny zanaka tokony hikarakara hametraka ny ray aman-dreny ho amin’ny toerana tahaka izao mba ahafahany miasa malalaka.

Tsy hoe : tsy fitiavana azy ireo fa fitiavana miseho amin’ny endriny hafa.

Ny olona malala-tsaina araka izany, no manjifa ny tolotra omen’ny « Centre La Bonté Madagascar ». Manomboka efa manana fijery misokatra ihany koa anefa ny Malagasy maro.

Afaka manantona eny anivon’ny tokatranon’ireo manana zokiolona ho karakaraina ihany koa ny « Centre La Bonté Madagascar ».

Vous aimerez aussi