SEKOLY ANGLIKANINA : Manana rafitra mazava, miroso hatrany amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana

“Finoana, Fahendrena, Fahalalana” Io no teny filamatra ijoroan’ny Sekoly Anglikanina eto Madagasikara. Ankehitriny, manodidina ny fitompolo mahery ny sekoly Anglikanina miely patrana manerana ny Nosy ankehitriny. Nomarihan’i Raharilala Fleurot A Tale nasionalin’ny sekoly Anglikanina eto Madagasikara fa rafitra iray anatin’ny Fiangonana Anglikanina eto Madagasikara ny sekoly izay manana ny foibeny eny Ambohimanoro Antananarivo. Ny foiben’ny Eklezia Episkopaly Malagasy “Fiangonana Anglikanina” no manendry ny Tale nasionaly izay manana fe-potoana telo taona iasana azo havaozina.

Mahaleo tena ny sekoly Anglikanina amin’ny fanapahan-kevitra izay raisiny. Anisan’ny goavana amin’izany ny fametrahana ny politikam-panabeazan’ny sekoly. Tsy maintsy misy hatrany ny tatitra atao amin’ireo tomponandraikitra ambony, ireto farany izay manan-jo feno hanadihady lalina manodidina ny fanapahan-kevitra raisin’ny eo anivon’ny sekoly. Marihana fa manana rafitra nasionaly isaky ny diosezy ny sekoly Anglikanina. Ny tale nasionaly no manendry ireo tale eny anivon’ireo diosezy sy ireo talen-tsekoly. Manana adidy goavana ho amin’ny fampandehanan-draharaha sy ny fanaraha-maso ireo sekoly Anglikanina, araka izany, ny Tale nasionaly eo anivon’ny sekoly Anglikanina. Manana sata fototra sy fitsipika anatiny mifehy azy ny Sekoly Anglikanina eto Madagasikara. Misy ny komitin’ny sekoly izay mijoro eny anivon’ireo sekoly Anglikanina. Mandrafitra izany ny talen-tsekoly, Ray aman-drenin’ny mpianatra, ny Presibiteran’ny paroasy, komitim-piangonana. Tsy manan-kery ny fanapahan-kevitra raisin’ireo komitin’ny sekoly raha toa ka tsy feno ireo mpikambana mandrafitra azy na tsy nahatratra ny antsasa-manila ny isan’ireo tonga nivory. Manana rafitra sy fomba fiasa maty paika hoentina manatanteraka ireo adidy masina eo an-tsorony, araka izany, ny sekoly Anglikanina eto Madagasikara.

Anisan’ny ezaka mitohy ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana eny anivon’ireo sekoly Anglikanina eto Madagasikara ny fanolorana fampiofanana ireo mpampianatra sy ireo talen-tsekoly. Anisan’ny vinanasa ny fanorenana ivon-toerana ho fiofanana sy fampiofanana ho an’ny sekoly Anglikanina manokana.

Andalana ihany koa ankehitriny ny fampifandraisana ho amin’ny fiaraha-miasa ny sekoly Anglikanina eto Madagasikara amin’ireo sekoly any Dilambato. Anisan’ny fanamby apetraky ny sekoly Anglikanina ihany koa ny fandefasana ireo mpianatra nahavita ny fianarany teny anivon’ny sekoly hanohy ny fianarany any ivelan’i Madagasikara. Nomarihan’ny Tale nasionalin’ny sekoly Anglikanina Raharilala Fleurot A. fa efa nisy ny fihaonambe natrehany tany Etazonia ny taona lasa teo ho amin’ny dingana hahafahana manatanteraka izany.

Anisan’ny ezaka hotanterahan’ny eo anivon’ny Sekoly Anglikanina ny fanapariahana ny fampianarana informatika any amin’ny faritra raha toa ka efa misitraka izany avokoa ireo sekoly Anglikanina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy ho ela dia hisy ny fampitaovana avy any Dilambato ho tonga eto Madagasikara. Hanodidina ny folo mahery ireo sekoly hisitraka izany. Mason-tsivana takiana amin’ny fisitrahana izany ny fananan’ny sekoly Olombelona hitantana sy hampianatra ary ny fisian’ny herinaratra sy ny foto-drafitrasa handraisana izany. Misokatra amin’ny Antokom-pinoana rehetra ny sekoly Anglikanina ary tsy manery na mandresy lahatra ireo hafa finoana hiofo ho Anglikanina. Misy ny fampianarana ny taranja “Fandalinam-pinoana” (“Religion” izay manomboka amin’ny kilasy garabola hatrany amin’ny kilasy famaranana. Tanjona ny hamolavola taranaka matahotra an’Andriamanitra, manana fahalalana sy fahendrena koa ho “Olom-banona” ho tabiha sy reharehan’ny Firenena.

Vous aimerez aussi