BAS MANGOKY : Miantso ny fampitsaharana ny fisamborana sy ny fanagadrana tsy ara-drariny ireo tantsaha

Nampiaka-peo ireo fikambanan’ny tantsaha manoloana ny fifanolanana ara-tany ao amin’ny lemak’i Bas Mangoky. Melohin’izy ireo mafy ny fisamborana misesisesy sy ny fanagadrana tsy ara-drariny mahazo ireo tantsaha miaro ny zony, indrindra fa ny fomba fiasa mampihorohoro sy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona fototra. Mitaky ny famoahana ireo voatazona tsy misy fepetra sy ny fisian’ny vahaolana maharitra eo amin’ny fizarana tany ao anatin’ny tetikasa PII vatsian’ny BAD vola izy ireo.

PDF Loading...

Vous aimerez aussi