Nampiaka-peo ireo fikambanan’ny tantsaha manoloana ny fifanolanana ara-tany ao amin’ny lemak’i Bas Mangoky. Melohin’izy ireo mafy ny fisamborana misesisesy sy ny fanagadrana tsy ara-drariny mahazo ireo tantsaha miaro ny zony, indrindra fa ny fomba fiasa mampihorohoro sy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona fototra.
