… sady hihira am-panahy no hihira ara-tsaina koa aho (Korintiana 14 : 15 b). Io no teny filamatra ho an’ny tarika”Andon’ny natiora” izay nijoro ny taona efatra ambinifolo sy roarivo tao Fort-Dauphin. “Andon’ny natiora” anarana nosafidianay, hoy, i Tovo mpandrindra ankapobeny ny tarika entina ilazana fa hatramin’ny zavaboahary kely sy bitika indrindra aza dia manana ny anjara asany ho amin’ny famonjena fanahin’Olombelona tsy ankanavaka. Antom-pisian’ny tarika, araka izany, ny hitory ny filazantsara an-kira.
Miisa valo mianadahy izay mpikambana eo anivon’ny Kristianina Tanora Loterana Malagasy avy amin’ireo fiangonana efatra any Fort-Dauphin no nandrafitra ny “Andon’ny natiora” tany ampiandohana. Noho izy ireo efa samy “KTLM” efa nanana ny teknika fototra ilaina amin’ny Tontolon’ny fihirana dia tsy nisy intsony ny fisivanana “Casting” natao. Taty aoriana tsy maintsy nirosoana ny “Casting” noho ny tsy fahafahan’ny mpikambana nanohy intsony nohon’ny asa fivelomana.
Mampiavaka ny tarika”Andon’ny natiora” ny fiezahana eo amin’ireo mpikambana ny hiaina hatrany ny hafatra raiketin’ireo tononkiran’izy ireo ho fanatanterahana ilay teny filamatra “…Sady hihira am-panahy no hihira ara-tsaina” Tsy mifidy gadon-kira iangaliana ny tarika, lalaovin’izy ireo avokoa ny milamina, milantolanto ary mipaka hatrany amin’ny gadona mihetsika tanteraka. Tazana hatrany rehefa miantsehatra ny “Andon’ny natiora” ny fanehoan’izy ireo ny vakodrazana. Miavaka amin’ny fananana feo lafika kanto ihany koa izy valo mianadahy mandrafitra ny tarika. Heno miavaka tsara anatin’ireo sanganasan’ny “Andon’ny natiora” rahateo ireo antanatoham-peo takian’ny fiangaliana ny hira ara pilazantsara.
Efa manana kapila mangirana laharana voalohany nisalotra ny anarana hoe : “Mbola zaza” ny tarika. Hira miisa folo toy ny “Mbola zaza” ; “Ty hatea” ; “Manaiky Anao” … no mandrafitra azy ity. Andalana ho amin’ny famoahana ny vokatra andiany faharoa “Eo anilanao” ankehitriny ny tarika. Ny taona dimy ambiny roampolo sy roarivo no nanomboka nisy ny fampiaraham-peo teo amin’ny tarika”Andon’ny natiora” sy ireo mpanakanto andrarezin’ny fananana feo kanto sy miavaka toa an’i Koike de Madagascar tanatin’ilay hira “Lombao” noforonin’i Maître Fugain sy i Rojo Ny Avo. Teo ihany koa ny “Mamelà” nojarian’i Solofo. Ilay vazo “Eo anilanao” Io no nahafantaran’ireo mpankafy monina ivelan’ny Fort-Dauphin ny tarika”Andon’ny natiora”.
Ampahany amin’ireo fiakarana an-tsehatra efa vitan’ny”Andon’ny natiora” ny notanterahan’izy ireo tao amin’ny fiangonana FLM Tanjombato, ny volana Aogositra tamin’ny taon-dasa iny. Nentin’izy ireo nisantatra ny vaky sehatra teto Analamanga. Nisy ihany koa ny tany amin’ny fiangonana katolika Bezaha Toliary.
Tombony ho an’ny tarika ny fitafiana mandrakariva ny fahamatorana eo am-panatanterahana ny adidy masina iantsorohan’izy ireo. Ny mpikambana tsirairay aloha no miezaka miaina izay voalazan’ireo tononkira sy ny teny toriana mialoha ny fanapariahana izany. Vina sy tanjona ary fanamby ngeza makadiry apetraky ny “Andon’ny natiora” hatrany ny hampiakatra avo hatrany ny lentan’ny zavakanto ara-pilazantsara.
Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo manaja ny maha Kristianina ny tarika”Andon’ny natiora” Afaka manafana lanonana marolafy toy ny mariazy ; batisa ; konfirmasiona sns ny tarika. Ny laharana 034 20 903 30 no hahafahana mifandray mivantana amin’izy ireo.


