KIANJA ALAROBIA – ALATSINAIN’NY PENTEKOSTA : Nanantateraka ny “Tafatsangana tokoa” ny Fiangonana Miara-Manompo

Niavaka tsy toy ny mahazatra ny zava-niseho teny amin’ny Kianjan’Alarobia ny alatsinain’ny Pentekosta teo. Raha ny mahazatra hatramin’izay dia ny fitsangatsanganana, miala ny andavanandro  no betsaka mpanao, saingy hafa noho ny hafa no niseho teny tamin’io andro io. tonga maro anefa ny olona na dia teo aza izany.

Vory marobe tokoa ny mpino avy amin’ny Fiangonana Miara-Manompo izay tsy voasakan’ny andro ririnina, namela ny fahazarana rehefa andro toy izao.

Nanomboka tamin’ny sivy ora maraina ny fotoana izay nosokafana tamin’ny fanentanana samihafa. Nanokatra ny fotoana ny antoko mpihira avy ao amin’ny fiangonana mpanomana ny lanonana, nifandimby nitondra ny hira fiderana ny tarika maro: TGC, Ny Avo, The Singers of Jesus, Antsa an’i Kristy, Faratiana Church, Pasteur Jocelyn Ranjarison ary ny TDL. Samy nampiseho ny talentany avy ireo tarika niakatra ny sehatra, na teo amin’ny hira fiderana na teo amin’ny dihy. Niara-niredona taminy koa ny vahoaka vory lanona.

Nibahan-toerana ny vavaka sy ny tso-drano izay nanamarihana ny andro Pentekosta ny tolakandro tamin’ny alalan’ny fivondronana teo amin’ny kianja sy ny fihodinana im-pito nataon’ireo mpitarika, izay nahatsiarovana ny fandrodanana ny mandan’i Jeriko.

Nampanantena ny mpikarakara ny hetsika fa ho tohizana izao fankalazana izao.

Vous aimerez aussi