LALAO ARA-PANATANJAHANTENA "XXL SMATCHIN AO TSARA" : Ny 14 ka hatramin'ny 22 martsa 2026 eny Mahamasina

Hotanterahana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny 14 ka hatramin’ny 22 martsa 2026, ny lalao ara-panatanjahantena “XXL Smatchin Ao Tsara”. Ity andiany faha-12 ity izay handraisan’ireo Sekoly Ambony sy Oniversite miisa 44 avy amin’ireo faritany 6 eto Madagasikara, anjara. Ahitana Ekipa miisa 43 avy amin’ny sokajy lehilahy ary miisa 18 avy amin’ny sokajy vehivavy.

Miisa 5 ireo Oniversite vaovao handray anjara dia ny ISTS (lahy sy vavy), IFSM (lahy), EGSS Fianarantsoa (Lahy) sy ny Oniversite Vakinankaratra (lahy) ary ny Millenium University (lahy). Hampisongadina ity “XXL Smatchin Ao Tsara” ity ny zava-baovao miisa telo. Eo aloha ny Amboara ho an’ny ekipa mendrika indrindra tao anatin’ny andro iray. Ankoatra izay ny Amboara ho an’ny mpanohana mendrika indrindra tao anatin’ny andro iray. Farany dia hisy ny mpilalao mendrika hosafidiana isan’andro manomboka eo amin’ny lalao ampahefa-dalana ka hatramin’ny lalao famaranana.

Manohana izao fifaninanana ara-panatanjahantenan’ny “XXL Smatchin Ao Tsara”, ny “Fédération Malagasy de Basket Ball” na ny FMBB, na eo amin’ny lafiny ara-teknika na eo amin’ny fampitaovana. Hanolotra”panneau” azo hilalaovana tsara mifanaraka amin’ny hiandrasan’ireo tanora araka izany ny FMBB.

Mampiavaka ny lalao ara-panatanjahantena “XXL Smatchin Ao Tsara”, hatramin’izay, ny fifaninanana “Misset Mister”. Eo ihany koa ny “DJ contest”, ny “dance contest”, ny “E-sport” sy ny “slam” ary ny fifaninanana karaoke. Ankoatra izay dia hisy ny fifaninanana “dunk” sy “tir à trois points”. Mandefa mivantana ity andiany faha-12 amin’ny “XXL Smatchin” ny “GSTv chaîne 9” sy ny “CANAL+ Madagascar”. Ar 3.000 no hanjifana ny tapakila amin’ny andron’ny dingan’ny fifanintsanana rehetra fa jifaina Ar 2.000 izany raha toa ka vidiana amin’ny “Orange money”, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi