Raikitra io e ! tena raikitra tokoa fa ny tolakandron’ny Alahady 30 martsa ho avy izao, hanomboka amin’ny roa sy sasany tolakandro, etsy, Antsahamanitra, no hiaka-tsehatra anatin’ilay seho nampisalorana ny anarana hoe « Seho tena matihanina » ny tarika Lôla, amin’ny endriny feno. Fampisehoana tafiditra amin’ny fankalazana ny faha dimy ambiny roampolo taona nihiran’i Lôla ity hotanterahana ity.
Amin’ny maha fankalazana azy dia hifandimby eny an-tsehatra ireo tsanganasa tsy afaka am-bavan’ny maro hatrany amin’ny taona 2000 ka hatramin’izao fotoana izao nahafantarana an’i Lôla. Hitety vanimpotoana ihany koa, araka izany, ny fomba nentin’ny tarika nandrafitra ireo hira ho kaloina eny Antsahamanitra. I Lôla izay miavaka amin’ny fananana tononkira mahafoaka endrim-piainana maro na somary mifaka kokoa amin’ny fivazoana an-dRafitiavana ihany aza. Anisan’ny nentin’i Lôla nambabo ireo mpankafy azy maro be ankehitriny ilay feo feno angola sy kanto ary ilay fihetsika miaina tanteraka ny tononkira rehefa mian-tsehatra na any anatin’ireo rakitsary ombam-peo ny lehilahy. Amin’ny maha lanonan-dehibe ny fotoam-pankalazana tahaka izao dia tsy ho hataon’ireo mpikarakara ho ambanin-javatra ny fanamafisam-peo, jiro sy hazavana, ny lapihazo fa dia ho mendrika tanteraka ilay anarana nasalotra ity fampisehoana ity hoe : « Seho tena matihanina ». Ankoatra ireo, hisy ireo mpanakanto ho vahiny tsy ampoizina eny an-toerana.
Ny eo anivon’ny Club « UEFA » (Union des Elites Foot-ball Antananarivo), izay tarihan’ny filohany Maître Tombo Anthonio sy ny Sekretera jeneraliny Randimbimalala Georgia ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky sy ireo Ray aman-drenin’ireo ankizy ao anatin’ity klioba ity no mpiara-miketrika ny fanatanterahana ny « Seho tena matihanina » iarahana amin’i Lôla. Ny vola rehetra ho azy amin’izany, hoy izy ireo dia hoentina manatevina ny kitapom-bolan’ny Klioba UEFA ho fiatrehana ireo fifaninanana hotanterahana any ivelan’i Madagasikara sy ireo fihaonana iraisam-pirenena ary hanatsarana miandalana ny tolotra omena ireo ankizy te ho matihanina amin’ny filalaovana ny taranja baolina kitra miofana eo anivon’ny sekolin’ny baolina kitra izay tantanin’ny UEFA ihany koa. Marihana fa ny faramparan’ny taona 2024 iny ny Club UEFA no niatrika fifaninanana baolina kitra, tatsy amin’ny Nosy Maurice. Azo ambara ho fahombiazana ny vokatra amin’izany, hoy ny mpitarika ny Club UEFA na dia niady irery tamin’ny enti-manana ny fanatanterahana ny fivahinianana tatsy Maurice ihany aza izy ireo.
Hotanteraka ara-bakiteny amin’ireo rehetra ho avy hanatrika ny « Seho tena matihanina » iarahana amin’i Lôla etsy Antsahamanitra, ny Alahady 30 martsa ho avy iza,o tokoa, araka izany, ilay fomba fiteny manao hoe : « Ny adidy ho vita ary ny fahafinaretana ho azo.


