Anjaran’ny avy ao amin’ny “UASM” no nitatitra ireo zava-bita nandritra ny herinandro lasa sy ireo kinasa ho amin’ity herinandro vaovao ity, hoy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana nandritra ny fananganan-tsaina. Nanazava sy nametraka ny fomba fiasa vaovao ara-teknika sy ara-pitantanam-bola ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora. Rakotovao Hanitrala Jean Louis. “Manomboka eto dia ho bebe kokoa ny vola miasa any amin’ireo distrika noho ny vola miasa eto amin’ny Ministera foibe, hoy ny Minisitra, satria any no ahitàna ireo CSB maro”. Manoloana ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus, dia manentana hatrany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka hanohy ny fanajana ireo fepetra sakana sy ny fitondràna aro vava orona mba tsy hampihanaka ny fipariahan’ny valanaretina any amin’ireo faritra hafa eto Madagasikara izay mbola tsy ahitàna izany.
“Aoka tsy hatao sorona ny marary”
Ny fifampiresahana an-databatra boribory ihany no vahaolana hamahana ny olana raha misy ny fitakiana hataon’ireo mpitsabo mpanampy sy ny sendikan’ny Paramed, hoy ny ministry ny fahasalamam-bahoka. Anisan’ny ministera lehibe amin’ireo ministera misy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, koa raha misy ny olana na/sy hetsika fitakiana na/sy fitokonana, dia tokony mifampiresaka mba hijerena ny vahaolana amin’izany, hoy hatrany ny ministra. Niantso ireo mpitsabo mpanampy, ny sendikan’ny Paramed ny tenany mba handray ny asa mifanandrify azy ireo, fa aoka kosa tsy ho voasarika any amin’ny hetsika fitokonana, hoy izy. “Aoka tsy hatao sorona ireo marary”, hoy ny ministra. Milaza ny hanao fitokonana manerana ny nosy mantsy ireo mpitsabo mpanampy sy ny sendikan’ny Paramed ireto nanomboka omaly, izay voalaza fa mamofompofona politika ny hetsika hataon’izy ireo.


