
Laroson Miarantsoa Jean Christian, mpanakanto vao erotrerony, zanak’Antalaha. Nofinidiny ny nisalotra ny solon’anarana hoe : « Lar’son », ao anatin’ny habaky ny kanto an-kira malagasy. Azo ambara ho taranaka mpanakanto ny tovolahy noho ny Rainy izay anisan’ireo niangaly sy nisehatra ny vakodrazana. Tsy mifidy gadon-kira lalaovina (mihetsika sy milamina) toy ny « slow », « afro beat », « salegy », « reggae », « sega », sns ny tovolahy ary anisan’ireo miavaka amin’ny fananana feo afaka manakatra ny avo indrindra ary afaka midina any amin’ny farany ambany ihany koa.
I Lar’son ihany no miketrika ireo tononkirany izay nojariana avy amin’ny trangam-piaraha-monina manodidina azy. Noezahako hatrany hirakitra hafatra miendrika fanabeazana ireo sanganasako, hoy ity mpanakanto mahavita mamorona hira roa anatin’ny andro iray ity. Tombon-dahiny ho an’i Lar’son ny fananana ireo foto-drafitrasa raitra sy manaraka ny fenitra takian’ny fikirakirana ny mozika. Singanina amin’ireny ny trano fandraisam-peo sy ny fanamafisam-peo matanjaka.
Maro ireo fitetezam-paritra efa vitan’ny tarika izay hivondronan’ireo mpikambana miisa manodidina ny 12. Tsongaina amin’ireny ny tany amin’ny faritra atsinanana (Fenerive Est, Vavatenina, sns) ny volana novambra hatamin’ny fiandohan’ny volana janoary dila teo, izay samy nahitam-pahombiazana avokoa. Hitohy amin’ity taona ity any amin’ny faritra Sofia, Sava ny fitetezam-paritra. Mialoha izany, vao namoaka ny rindran-tsarin’ilay hira vaovao « Hazavagna », novokarina amin’izao « fetin’ny mpifankatia » izao i Lar’son. Ny gadona « afro beat » sy ny « zouk love » no natambatra ary nahafahana nanajary azy ity, hoy i Lar’son. Raha fintinina, mpanakanto hanana ny hoaviny mamiratra i Lar’son.


