MPANAKANTO DRAGIN D’IHOSY : Manandratra ny mozika nentin-drazana

Dragin Roger no anarana fenon’ity mpanakanto Zanak’Ihosy, mivoy sy manandratra ny mozika nentim-paharazana mampiavaka ny Barabe izay monina any amin’ny faritra Ihorombe ity. Anarana sy endrika tsy vaovao loatra intsony ho an’ireo mpankafy ny mozika i Dragin d’Ihosy, noho ity farany efa niatrika ny lalao famaranana, natao hitiliana ireo haren’ny mozika nentim-paharazana malagasy, ny taona 2017, teo anivon’ny fahitalavitra tsy miankina iray, teto Iarivo.

Mpanakanto feno

Mpamorona, mpandrindra, mpihira ary mpitendry gitara maranim-peo i Dragin d’Ihosy. Anisan’ny iavahany amin’ireo mpankanto maro ireo. Ankoatry ny fomba fandrindrany ireo haavon’ny feon’ireo jihin-gitara (Cordes) hanjary hanome feon’angorodao (taralila), valiha marovany ary kabôsy. Variana sy mitolagaga, araka izany, ireo maheno ny feon-gitara lalaovin’i Dragin d’Ihosy raha mandre ireo feon-javamaneno maro ireo indray miaraka atosaky ny gitara iray eny an-tanany.

Hasoangadin’i Dragin d’Ihosy amin’ireo kanto jariany ny mozika nentim-paharazana mampiavaka ny faritra Ihorombe. Anisan’ireny ny sery tongotra, karitaky, kibato mangala hosy, tipaky be rambo, belamaky, tsitsiky ary ny rombo bilo. Heno eny antsefatsefan’ireo sanganasan’i Dragin d’Ihosy ihany koa anefa ny « antsa » nentim-paharazana. Tsy ny gadona sy ny fandrindrana ihany no amneho ny maha kant ny mzoika nentim-paharazana avy any Ihorombe izay avoitran’i Dragin d’Ihosy fa eo ihany koa ny fampiasana ny zavamaneno avy any atsimo toy ny katrà (korintsana), ny aponga lahy sy vavy (Karitaky) ary ny gitara tsotra.

Ampahany amin’ireo vazon’i Dragin d’Ihosy efa nahazo faka amin’ny fankafizan’ny maro ankehitriny ny « Vient du sud » sy ny « Jangobo tany misy ». Hetahetan’ity mpanakanto milofo ny hamelo-maso ny mozika nentim-paharazana ity ny mba hanohanan’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina azy eo am-panatanterahana ny adidy masina izay ataony ankehitriny. Ho tanteraka tokoa anie izany.

Vous aimerez aussi