Fihaonan’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo Mpikambana avy ao amin’ny Governemanta izay notarihan’ny Praiministra no hetsika notontosaina teny amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, tamin’ity anio ity. Fihaonana izay nandinihana ny ho anjara birikin’ny sehatra tsy miankina amin’ireo traboina any Toamasina nanoloana ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI. Vonona ny hitondra tolo-tanana ho an’ireo mpiray tanindrazana araka izany ireo mpandraharaha eto amintsika. Vonona ny hanampy ny BNGRC amin’ny fitsinjarana ireo fanampiana ihany koa ny avy ao amin’ny Primatiora. Tanjona ny mba hisian’ny mangarahara tanteraka amin’ny fanohanana ireo niharam-boina. Mahatratra 151 tapitrisa Dolara, ankehitriny, ny tetibola ilaina amin’ireo mponina any Toamasina manoloana ny fahavoazana any an-toerana. Tetibola izay miovaova arakaraka ny takaitra. Ankoatry ny fandraisana anjaran’ny sehatra tsy miankina dia efa nisy sehatra hafa ihany koa nandray anjara. Anisan’izany ny Banky Mondialy izay nanome Ar 163miliara. Ar 65 miliara any avy amin’ny firenena Sinoa. Ar 22,2 miliara ny avy amin’ny “ONU”. Antenaina araka izany fa mba hisy fiatraikany amin’reo mponin’i Taomasina, ny fanampiana.


