
Rasolohavanimanana Elody Jean Neré. Io no anarana fenon’ilay mpanakanto « Ra-havana », fantatra tamin’ilay vazo « Ao an-dakozia ». Ny taona 2006 Ra-havana no efa nilona tao anatin’ny hira sy ny mozika. Ny fitendrena ny aponga maroanaka no nampisongadina azy tao anatin’ny tarika « Majeur 7 ». Mahafehy karazan-javamaneno tahaka ny gitara, vatamaroafitsoka, sns ihany koa izy. Manana tombon-dahiny ny tovolahy amin’ny fahaizana mampiaraka ny fihirana sy ny fitendrena zavamaneno ary ny talentany amin’ny famoronana hira.
« Fianakaviana mpanakanto », io no azo isokajiana ny loharano nipoiran-dRa-Havana. Ireo rahalahiny izay samy mikirakira ny mozika sy ny hira avokoa.
Ny hanandratra ny soatoavina Betsileo tahaka ny fomba fiteny sy ny fitafy mampiavaka ny faritra niaviako (Fianarantsoa) no anisany nanosika ahy hiroso lalina hatrany amin’ny fiangaliana ny mozika, hoy Ra-Havana. Tsy mijanona hatreo anefa ny sehatrasa fa mikaroka hatrany ny hitondra vokakanto vaovao ny tovolahy. Ampahany amin’ireny ny fanajariana vazo miainga avy amin’ny fampivadiana gadona miisa roa. Singanina amin’ireny ny fampiarahana ny tsapiky sy ny décalé heno anatin’ilay sanganasany « Ao an-dakozia ». Ny fampiarahana ny mahasoa sy ny mahafinaritra hatrany, araka izany, no fenitra ho an-dRa-Havana anatin’ny fialaovana ny mozika izay efa hita sy tsapa fa miroso miandalana hatrany hiazo ny sehatra maha matihanina miaraka amin’ny Tranom-pamokarana « Beromilanja Pro » izay tsy mikely soroka manampy ny tovolahy. Ho avy tsy ho ela ny fitetezam-paritra ahafahana manjifa ireo kanto an-kira voajarin-dRa- Havana.


