RENY EVENTS : Nifarana ny “Valentine’s Day” dia ho avy ny “Viavy Jejo 2eme édition”

“Vehivavy sy ny asa tanana vita Malagasy – Ndao hiaraka hanandratra ny Vita Malagasy”, io no teny filamatry ny “Reny Events” amin’ilay hetsika ara-barotra antsoina hoe: “Viavy Jejo 2eme édition”, izay karakarain’izy ireo. Ny 19 ka hatramin’ny 22 Martsa 2025, eny amin’ny Zaridaina Antaninarenina no hantanterahana izany. Ity hetsika ity dia entin’ny tomponandraikitra mpikarakara manome lanja ny vehivavy. Antony nanomezany vahana ireo azy ireo indrindra fa ireo rehetra izay misehatra ao anatin’ izany Vita Malagasy izany. Ny volana martsa iray manontolo dia natokana hankalazana ny Andron’ ny vehivavy na ny 8 martsa aza no hanamarihana izany. Sehatra iray hahafahan’ireo mpampiranty sy ireo mpivarotra ny asa tanana ny vokatra vita Malagasy araka izany ity hetsika ara-barotra ity. “Ny Reny Events” izay tsy izao vao mikarakara hetsika natokana ho an’ireo andriambavilanitra fa efa hatramin’izay taona maro nijoroany izay. Ankoatra izay dia miompana tanteraka amin’ny isam-batan’olona ny hetsika karakarain’ny “Reny Events”. Manaporofo izany ny nikarakaran’ny “Reny Events” ny hetsika “Valentine’s Day”, teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny 14 ka hatramin’ny 15 febroary 2025. Mpandray anjara maro no hita tamin’ity hetsika natokana ho an’ny mpifankatia ity raha mpanjifa sy mpandalo maro be no tonga namaly ny antso teny an-toerana nandritra ireo roa andro ireo. Kojakoja natokana ho an’ny mpifankatia indrindra fa ho an’ny vehivavy toy ny poketra, kavina, kiraro, rojo, akanjo, ranomanitra, sy ny maro samihafa no nisongadina tamin’ireo fotoana ireo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra mpikarakara sady tale jeneralin’ny “Reny Events”, Rasolonaivo Mirantsoa Philibertine.

Vous aimerez aussi