SAMBO TORM ELISE : Tonga ao Toamasina mitondra solika milanja 64 500 taonina

Ny talata 5 mey lasa teo no nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo Torm Elise nitondra solika milanja 64 500 taonina, ahitana lasantsy, solika fandrehitra ary gazoala.

Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny “Office malgache des Hydrocarbures” dia “noho ny fampidinana solika mavesatra izay miantoka ny filan’ny Jirama nentin’ny sambo Sea Treasure tonga teo alohany, dia ny alakamisy maraina tamin’ny fito ora sy sasany izy vao namonjy ny toeram-piantsonana miandry ny fampidinana ireo vokatra tateriny ny sambo Torm Elise”. Vinavinaina ho vita amin’ny alahady 10 mey ho avy izao maraina ny fampidinana ny solika rehetra.

Efa misy kosa ampahany amin’ny lasantsy navoaka avy tao anaty sambo no taterina amin’ireo fiara lehibe sy fiaran-dalamby haparitaka manerana ny tobin-tsolika eto afovoan-tany. Rehefa vita tanteraka kosa ny fampidinana ny vokatra rehetra dia hiditra indray ireo sambo (caboteurs) avy eto an-toerana, hitatitra solika haparitaka manerana ny tobin-tsolika any amoron-tsiraka ka ny iray mankany atsimon’ny Nosy ary ny iray hafa mankany avaratry ny Nosy.

Vous aimerez aussi