FIM ANDIANY FAHA-27 : "Madagasikara mihetsika" no lohahevitra

Hifarana ny Alahady 10 Mey 2026 raha nanomboka ny Alakamisy 07 May, eny amin’ny CCI, ny FIM andiany faha-27, izay karakarain’ny orinasa MadaVision. “Madagasikara mihetsika” no lohahevitra amin’izao andiany izao. Tranoheva miisa 400 no miranty eny an-toerana izay handraisan’ireo mpandraharaha anjara miisa 300.

30 000 isa ireo mpitsidika andrasana amin’ity fampirantiana iraisam-pirenena eo amin’ireo mpandraharaha sy ireo andrim-panjakana ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-tekinika ity. Ny ambohim-pihaonana tahaka izao dia fiaraha-miasa eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina.

Fifanankalozana ihany koa ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarenan’ny eto Madagasikara. Tanjona ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny asa sy ny fandraharahana. Ho hita eny amin’ny CCI mandritra ny efatra andro araka izany ny atrikasa, famelabelaran-kevitra, fandraisana mpiasa sy varotra ary fampirantiana.

Vous aimerez aussi